Madagascar: Andrononobe Ilafy - Nomen'ny fitsarana rariny ny manara-dalàna

Nivoaka ny herinandro teo ny tahadika taratasim-pitsarana teny Anosy momba ny tany ifandroritana fianakaviana roa teny Andrononobe Ankadikely Ilafy. Nanome rariny an'Atoa Rakotonirina Jean Baptiste ny fitsarana tamin'ny famoahana io didy tahadika io, izay nananany taratsy mazava momba ny varotra laharana 22 ny 7 febroary 1991 sy ny laharana 87 ny 9 jolay 1992. Nanamafy io didy io fa azy ireo ny tany 5 ara eny an-toerana. Raha tsiahivina, niteraka disadisa teo an-tanana ny fakan'olona ny ampahan'io tany io. " Nifampiresaka izahay, ary nimpiseho taratasy ara-dalàna tamin'ireo olona mpifanolana taminay. Feno ny taratasy rehetra ara-dalàna, kanefa mbola nofaritany tany, ary nofefeny tamboho izany. Rehefa afa-nenina dia nitondra ny raharaha teny amin'ny fitsarana ny taona 2021. Ny alatsinainy teo vao nivaly izany ", hoy ny fanazavan-dRakotonirina Jean Baptiste. Tsy misy intsony araka ny didy ny fiton-draharaha eny amin'ny fitsarana ary nampahafantarina ampahibemaso izany, ary afaka mampihatra ny didy avy hatrany ny nahazo rariny. Anisan'ny raharaha mitana ny lohalaharana eny amin'ny fitsarana ny ady tany. Ady anisan'ny lava indrindra ihany koa, ary mazana ahitana tsindry hazolena, kolikoly sns. Matetika izay manam-bola no mahita ny rariny, kanefa efa misy koa ny ezaka eo anivon'ny fitsarana sy ny ministera amin'ny fanatsarana ny raharaham-pitsarana momba ny ady tany.

AllAfrica publie environ 400 articles par jour provenant de plus de 100 organes de presse et plus de 500 autres institutions et particuliers, représentant une diversité de positions sur tous les sujets. Nous publions aussi bien les informations et opinions de l'opposition que celles du gouvernement et leurs porte-paroles. Les pourvoyeurs d'informations, identifiés sur chaque article, gardent l'entière responsabilité éditoriale de leur production. En effet AllAfrica n'a pas le droit de modifier ou de corriger leurs contenus.

Les articles et documents identifiant AllAfrica comme source sont produits ou commandés par AllAfrica. Pour tous vos commentaires ou questions, contactez-nous ici.