Madagascar: Raharaha solika mitampoka sy hosoka - Nahiditra am-ponja ireo olona valo voasambotra, tompon'ny mpaninjara solika ny roa

Natao ny alakamisy teo ny fakana am-bavany ireo olona valo voarohirohy noho ity raharaha solika mitampoka sy hosoka ity teny amin'ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, ka manaparitaka izany amidy eny amin'ny tsenan'ny solika eto Toamasiana sy ny faritra hafa. Hatreto aloha dia "gazoala" mitampoka "petrole" no mbola tratra niaraka tamin'ireo fitaovana fampifangarona izany, izay tratra teny Tanandava teny ary tranon'ny solombavambahoaka tsy avy eto Toamasina ilay trano, araka ny vaovao. Tafatsoaka izy io, araka ny fanazavana voaray.

Teo anivon'ny tonia mpampanoa làlana amin'ny fitsarana ambarantonga voalohany no niakaran'ny antontan-taratasin'ady voalohany, ka olona valo lahy izy tompon'ny toby famatsiana solika ny roa tamin'izany. Nandritra ny fandefasana ny antontan-taratasin'ady teny amin'ny mpitsara mpanao famotorana no nahatsapa ilay mpitsara fa misy tsy fahatomombanana ny loham-piampangana ireto olona valo. Saika halatra solika avokoa mantsy no niampangana azy ireo, ka voatery naverina teny amin'ny zandary nisahana ny fanadihadiana izany mba hahitsy, tokony tamin'ny 7ora hariva. Vokatr'izay dia nitohy ny zoma teo indray ilay fakana am-bavany ireo olona valo teo anivon'ny mpitsara mpanao famotorana.

Tamin'ny 01ora sy sasany vao nivoaka ny fanapahan-kevitry ny mpitsara mpanao famotorana, fa miditra am-ponja vonjimaika avokoa izy valo lahy voarohirohy tamin'ity raharaha solika mitampoka sy hosoka ity. Taorian'izay anefa dia nampiaka-peo ny mpiaro ireo olona valo nahiditra am-ponja ireto. Teo mantsy ity olona tompon'ny fiara efa namidy ny volana jona ary efa nampiasain'ny nividy azy nitaterana ireo solika hosoka. Teo koa ireo olona roa nilaza ho tsy mahalala akory ny momba ity solika mitampoka sy hosoka ity.

%

Ho an'ny Me Rakotovoarison Gino sy ny Me Tody Arnaud ary ireo mpisolovava nanana ny narovany tamin'ity raharaha ity, dia "fanafenana ny mpitondra sy ny tompon'andraikitra isan-tokony eto Toamasina ary ireo eny anivon'ny minisitera sy antenimieram-pirenena roa tonta, izay samy mpandray ekolazy amin'ireo atidoha amin'ity raharaha ity, ny fisamborana sy fampidirana am-ponja vonjimaika ireo olona ireo. Tena tsara fiarovana ireo trondro vaventy ao anatin'ity raharaha ity, hoy ireto mpisolovava ireto.

Ankilan'ireo rehetra ireo dia nampametra-panontaniana ny mpisolovava ireo olona MD ny tsy nahitana ny andriambavilanitra niara-voasambotra tany am-boalahany tamin'ity raharaha ity. Teo koa ny olona roa efa voasambotra nefa tsy hita niakatra fitsarana tamin'ireto namany, hoy hatrany ireto mpisolovava. Nohamafisin'ireto mpisolovava ireto hatrany anefa hoe : "aiza ilay tompon-trano sy ilay tompon'ny kamiao nahatrarana ireto bidao feno solika notampohina sy hosoka?... "

AllAfrica publie environ 400 articles par jour provenant de plus de 100 organes de presse et plus de 500 autres institutions et particuliers, représentant une diversité de positions sur tous les sujets. Nous publions aussi bien les informations et opinions de l'opposition que celles du gouvernement et leurs porte-paroles. Les pourvoyeurs d'informations, identifiés sur chaque article, gardent l'entière responsabilité éditoriale de leur production. En effet AllAfrica n'a pas le droit de modifier ou de corriger leurs contenus.

Les articles et documents identifiant AllAfrica comme source sont produits ou commandés par AllAfrica. Pour tous vos commentaires ou questions, contactez-nous ici.