Madagascar: Tambajotra mpamaky fasana - Olona valo voasambotra, taolam-paty 200kg sarona

Nihanahazo vahana indray tato ho ato iny vaky fasana sy halatra taolam-paty. Ny alahady lasa teo, tambajotra iray no ravan'ny zandary avy ao amin'ny vondron-tobim-paritra Manakara. Tambajotra izay nahitàna olona valo, tra-tehaka niaraka tamin'ny "entana" teo am-pelatanan'izy ireo : taolam-paty fito gony !

Araka ny fampitam-baovao azo dia efa nikasa ny hanondrana izany "entana" izany ireto olon-dratsy ireto no saron'ireo zandary. Ny sabotsy hariva teo mantsy, nisy ny fanomezam-baovao azon'ireo zandary tany amin'ity faritra ity ny amin'ny fisian'ireto andian'olona ireto, izay mihazo taolam-paty, ao amin'ny tanana iray antsoina hoe Vohitrarivo, fokontany Tanakidy, kaominina Ambahatrazo, distrika Manakara. Rehefa natao ny fanamarina ny vaovao, ny fidinana teny ifotona ary ny fijokoana ireto olona ireto dia sarona tao amin'io tanana io tokoa ry zalahy. Tsy maintsy nametrahana velam-pandrika efa maty paika izy ireo, hoy ny fanazavana vao tonga tamin'izao vokatra izao. Niainga tamin'ny fisamborana ny iray ary niafara tamin'ny fandravana tanteraka ireo olona mpiray tsikombakomba tao anatin'izany. Teo amin'ny valo lahy teo aloha no voasambotra ary tratra niaraka tamin'izy ireo ny taolam-paty izay natao tao anaty gony maromaro ary nahatratra hatrany amin'ny 200 kilao tany ho any. Saika taolan-dava avokoa moa izy ireo raha ny fantatra. Nogiazana avy hatrany ny "entana" ary izy valo miralahy kosa dia nentina natao famotorana. Hatreto, tsy mbola fantatra mazava aloha hoe aiza no saika hanondranan'izy ireo izany taolam-paty aman-jatony kilao izany na iza no efa vonona ny handray azy. Efa mizotra miandalana mankany amin'izay rahateo moa ny fanadihadiana ataon'ireo zandary any an-toerana. Efa nampandrenesina rahateo ny Tonian'ny mpampanoa lalàna any an-toerana hahafahana manohy izay fanadihadiana lalina izay.

Hatreto tokoa dia mbola mitana ny sain'ny maro ary fanontaniana goavam-be tsy mbola nisy namaly ny hoe atao inona ary alefa aiza ireo taolam-paty misy mangalatra. Ny zava-misy hita aloha hatreto dia matoa manao vy very ny ainy mamaky fasana ireo mpangalatra izany dia manentana fa hisy handray ny entan'izy ireo ary mety ho amin'ny vidiny lafo dia lafo tokoa ...

AllAfrica publie environ 400 articles par jour provenant de plus de 100 organes de presse et plus de 500 autres institutions et particuliers, représentant une diversité de positions sur tous les sujets. Nous publions aussi bien les informations et opinions de l'opposition que celles du gouvernement et leurs porte-paroles. Les pourvoyeurs d'informations, identifiés sur chaque article, gardent l'entière responsabilité éditoriale de leur production. En effet AllAfrica n'a pas le droit de modifier ou de corriger leurs contenus.

Les articles et documents identifiant AllAfrica comme source sont produits ou commandés par AllAfrica. Pour tous vos commentaires ou questions, contactez-nous ici.