Madagascar: Zaza kambotin'ny Tafika malagasy - Nomen'ny Masoivoho Sinoa jiro mandeha amin'ny herin'ny masoandro

Nanolotra jiro mandeha amin'ny herin'ny masoandro ho an'ny Akany Fitaizana zaza kambotin'ny Tafika malagasy eny Antsahasoa 5 Pagodes ny Masoivohon'i Sina eto Madagasikara, Ramatoa Guo Xiaomei, ny 23 novambra 2022. Nanome voninahitra ny fotoana sady nisolo tena ny Ministry ny Fiarovam-pirenena ny Amiraly Ranaivoseheno Antoine de Padoue, Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny Fiarovam-pirenena. Tanjona amin'izao fanomezana izao ny hanatsarana sy hanamafisana ny hazavana eo anivon'ny Akany. Noho izany, lehibe loatra ho an'ny Akany amin'ny fitaizana ireo ankizy beazina ao izao fanomezana izao, hoy ny Amiraly nandritra ny fandraisam-pitenenany ho fisaorana ny Masoivoho sinoa. Nambarany fa " na kamboty aza ireo zaza ireo dia mahatsiaro manana mpiahy ary fantatra fa taninketsan'ny foloalindahy ihany koa izy ireo amin'ny ho avy, noho ny fitiavan-tanindrazana izay modely hita amin'izy ireo sahady. Nohamafisin'ny mpanolotra izany ka nilazany ny fahavonon'ny Firenena Sinoa hanampy sy hiara-miasa amin'ny firenena Malagasy. Tsapany, hoy izy, fa adidy lehibe ny fandraisana an-tanana ireo zaza ireo ka mila fanohanana sy fanampiana ahafahan'izy ireo miaina sy misitraka ny zo maha ankizy azy. Nandray izao fanomezana izao moa ny Amiraly Assany Jeannot Mazaoro sady filoham-boninahitry ny akany fitaizana zaza kamboty eo anivon'ny tafika malagasy.

AllAfrica publie environ 400 articles par jour provenant de plus de 100 organes de presse et plus de 500 autres institutions et particuliers, représentant une diversité de positions sur tous les sujets. Nous publions aussi bien les informations et opinions de l'opposition que celles du gouvernement et leurs porte-paroles. Les pourvoyeurs d'informations, identifiés sur chaque article, gardent l'entière responsabilité éditoriale de leur production. En effet AllAfrica n'a pas le droit de modifier ou de corriger leurs contenus.

Les articles et documents identifiant AllAfrica comme source sont produits ou commandés par AllAfrica. Pour tous vos commentaires ou questions, contactez-nous ici.