Madagascar: Fanakanan-dàlana tany Tsaratanàna - Nofofoin'ny dahalo ho vonoina ny CB vaovao

Nitrangana fanafihana fiara indray tany amin'iny distrika Tsaratanana iny. Lasibatra tamin'izany ny zandary iray, « chef de poste »tao Sarobaratra, izay vao voatendry ho Kômandin'ny borigadin'ny zandary vaovao ao Tsaratanàna. Naratra izy, araka ny fampitam-baovao voaray, niaraka tamina olona sivily efatra hafa, izay mpandraharaha ara-toekarena any an-toerana.

Tifitra variraraka tanteraka no nataon'ireo olon-dratsy; izay nahavoa ireo olona rehetra tao anaty fiara. Na izany aza afaka nandositra ihany izy io, saingy nahazo andrin-tany ilay fiara ary nivadika. Tamin'io no niezaka nivoaka ny fiara ilay zandary niantso fanampiana tamin'ireo namany. Tamin'izay kosa no notonga tao anaty fiara ireo olon-dratsy ireo . Raha ny voalaza hatrany dia ity tompon'andraikitry ny zandary ity mihitsy no nokasain'ireo olon-dratsy hovonoina. Soa ihany anefa fa tonga haingana ireo mpitandro filaminana hafa avy ao Ambondromamy, namonjy azy ireo. Nitsoaka toy ny tsy teo ireo mpanafika raha vao nahatazana ireo mpitandro filaminana hafa. « Nentina namonjy ny hopitaly tao Ambondromamy ireo naratra ireo afa tsy ny iray izay tena naratra mafy ka nalefa niakatra aty Antananarivo » hoy ny vaovao. Angamba hoy hatrany ny fanazavana azo, mety ho « fantatr'ireo jiolahy any an-toerana tsara ny fahaizana sy hakingan'ity zandary ity ka inoana fa izay no antony hifofoan'izy ireo ny ainy sahady, dieny mbola tsy namonjy ny brigade-ny ». Efa mandeha moa ny fanadihadiana mahakasika ity tranga ity.

AllAfrica publie environ 400 articles par jour provenant de plus de 100 organes de presse et plus de 500 autres institutions et particuliers, représentant une diversité de positions sur tous les sujets. Nous publions aussi bien les informations et opinions de l'opposition que celles du gouvernement et leurs porte-paroles. Les pourvoyeurs d'informations, identifiés sur chaque article, gardent l'entière responsabilité éditoriale de leur production. En effet AllAfrica n'a pas le droit de modifier ou de corriger leurs contenus.

Les articles et documents identifiant AllAfrica comme source sont produits ou commandés par AllAfrica. Pour tous vos commentaires ou questions, contactez-nous ici.