Madagascar: Alatsinainy Bakaro - Ankizy telo mianadahy namoy ny ainy tao anaty hain-trano

Nohidin'ny reniny tao an-dakozia ireto ankizy ireto, ka mety nilalao afo. Loza mahatsiravina anefa no nitranga taorian'izay. Ny trano may, ireto ankizy, namoy ny ainy...

Loza mahatsiravina no nitranga omaly tao amin'ny tanàna iray, antsoina hoe Ambatomainty, fokontany Antanambao, kaominina Alatsinainy Bakaro, distrika Andramasina. Zaza telo mianadahy, zazavavy dimy taona ny zokiny, telo taona ny lahikely zandriny ary herintaona sy tapany no zandriny indrindra, ireo no indray nafoy tao anatin'ny indray mipi-maso monja, vokatry ny hain-trano goavana tao amin'io tanàna io, tokony ho tamin'ny mitatao vononana tany ho any. Hatairana tsy misy toa izany tokoa ny an'ireo manodidina raha nahita ny setroka nijolotra sy ny lelafo nanaka-danitra teo amin'ity trano ity. Samy niolomay nanao izay azony natao avokoa ny fokonolona teny an-toerana, tamin'ny famonoana ny afo. Tonga teny an-toerana ihany koa ny zandary, mpifehy ny zana-tobi-paritra tao an-toerana nanampy ireo fokonolona tamin'ny fifehezana ny afo. Raha ny vaovao azo, tamin'ny fotoana nahatongavan'ireto farany dia mbola niredareda ny afo. Somary nanano sarotra ny nifehezana izany, hoy hatrany ny fampitam-baovao azo noho ny toetr'andro sy ny rivotra mafy.

Tamin'io fotoana io ihany koa no nahafantarana fa mbola misy ankizy tavela tao amin'ilay trano. Niezaka namonjy ireto farany ihany moa ireo mpamonjy, raha ny vaovao hatrany saingy efa vatana mangatsiakan'izy telo mianadahy sisa no navoaka avy tao. May kila ny vatan'izy ireo iray manontolo, raha ny fampitam-baovao azo hatrany. Marihana fa tsy nisy olon-dehibe tao amin'io trano io, tamin'ny fotoana nitrangan'ny loza. Ny rain'ireto zaza ireto, izay nanao raharahan'olona tany amin'ny tanàna tsy lavitra teo, ary ny reniny, nivoaka naka kitay. Raha ny fanazavan'ity reniny ity tamin'ireo zandary dia nohidiny irery tao ireo zaza, tany amin'ny rihana ambony nisy ny lakozia, mba tsy hivoaka ivelan'ny trano. Vao avy nahandro sakafo antoandro mihitsy anefa izy tamin'izay fotoana izay ary mbola tsy maty ny afo nandrahoina izany. Heverina araka izany fa mety nilalao afo ireto ankizy kely, izay antony nahatonga ny firehetana ary nahatonga izao zava-doza nitranga izao.

%

Ora maromaro taty aoriana moa dia voafehy tanteraka ihany afo ary efa maty. Potika tanteraka tsy nisy noraisina ilay trano, niaraka tamin'ireo entana rehetra tao an-trano. Efa tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy ihany moa ireo tompon'andraikitry ny tanàna, niaraka tamin'ny mpitsabo. Taorian'ny fitsirihana sy ny fizahana nataon'ireto farany, an'ireo vatana mangatsiakan'izy telo mianadahy dia efa natolotra ny fianakaviana ny razana. Nanokatra ny fanadihadiana sy ny famotorana kosa tetsy andanin'izay ireo zandary, misahana izany faritra izany. Zava-doza tokoa ny mety hateraky ny tsy fitandremana kely foana, ary tokony ho mailo hatrany ny ray aman-dreny amin'ireo zanany sy ny afo ao an-trano.

AllAfrica publie environ 600 articles par jour provenant de plus de 100 organes de presse et plus de 500 autres institutions et particuliers, représentant une diversité de positions sur tous les sujets. Nous publions aussi bien les informations et opinions de l'opposition que celles du gouvernement et leurs porte-paroles. Les pourvoyeurs d'informations, identifiés sur chaque article, gardent l'entière responsabilité éditoriale de leur production. En effet AllAfrica n'a pas le droit de modifier ou de corriger leurs contenus.

Les articles et documents identifiant AllAfrica comme source sont produits ou commandés par AllAfrica. Pour tous vos commentaires ou questions, contactez-nous ici.