Madagascar: Resa-tany eny Mangarivotra Faravohitra - " Aoka izay ny fandotoana ny anaran'ny governora "

Nivoaka tamin'ny fahanginany Atoa Yves Rabarijoely, izay voatonona amin'ilay resa-tany eny Mangarivotra Faravohitra, ary nilaza fa aoka izay ny fandotoana sy ny fampidirana ny anaran'andriamatoa governora an'Analamanga amin'ny resaka ity. Nitondra ny porofo izy fa nisy ny fifampivarotana tany teo aminy sy Rasoamaromaka ny taona 2017, izay tany 343 m² antsoina hoe Villa Vero. Taorian'ny varotra tsy nisy nidiran'ny governora intsony nanomboka teo. Araka izany, fampitomboan-dresaka fotsiny ataon'ny olona ny filazana fa misy ambadika ataon'ny governora amin'io raharah-tany io. Ity farany moa izay efa nidina teny an-toerana ny alatsinainy teo ary nilaza fa efa namidiny io tany io, ary tsy misy idirany. " Nisy nisandoka nampiasa ny anarako ", hoy ny governora. Taorian'izay no nororotin'ny sasany indray ny fivoizana ny anaran'ingahy Yves Rabarijoely ho nangalatra tany. Izy izay nilaza fa ara-dalàna tsara ny taratasy nividianana tany tamin'ny governora. "Taty aoriana no nanatona ahy ny tompon'ny tany teo aloha nilaza fa amidy ihany koa ny ampahan-tany 186 m², izay mameno ny tany ho 529 m². Mbola nisy olona nipetraka teo amin'ilay ampahany tamin'izany ka tsy raikitra ny fifampivarotana raha mbola teo ireo olona ireo. Rehefa nalan'ny tompon-tany ireo olona ireo vao raikitra ny fifampivarotana. Ny 4 marsa 2022 ny taratasim-panamarinana ny fifampivarotana natao tao amin'ny firaisana fahatelo ", hoy ny fanavazany. Tany hafa mihitsy izay tsy misy idiran'ireo voalaza eo ambony no voakasika amin'ny raharaha avoakan'ny sasany, hoy hatrany ny fanamafisana ary efa nisy ny fanadihadiana nanamarina izany. Izy izay naneho ny porofo amin'ny alalan'ny taratasy ara-panjakana sy fitsarana fa azy ny tany. " Tany ara-dalàna no novidiako fa tsy nisandoka na nisoloky aho ", hoy izy.

AllAfrica publie environ 600 articles par jour provenant de plus de 100 organes de presse et plus de 500 autres institutions et particuliers, représentant une diversité de positions sur tous les sujets. Nous publions aussi bien les informations et opinions de l'opposition que celles du gouvernement et leurs porte-paroles. Les pourvoyeurs d'informations, identifiés sur chaque article, gardent l'entière responsabilité éditoriale de leur production. En effet AllAfrica n'a pas le droit de modifier ou de corriger leurs contenus.

Les articles et documents identifiant AllAfrica comme source sont produits ou commandés par AllAfrica. Pour tous vos commentaires ou questions, contactez-nous ici.