Madagascar: Fanolanana - Namoy ny ainy ilay tovovavy, maty voatifitra ireo tompon'antoka

Tranga nampivarahontsana no nitranga tao amin'ny tanana iray antsoina hoe Antaninarenina, tany amin'iny distrikan'i Vangaindrano iny ny marain'ny alatsinainy lasa teo. Faty telo be izao no tao an-tanana : ny iray tovovavy iray, hita faty sy nisy nanolana tao anaty trano fandraisam-bahiny iray, ary ny roa kosa ireo tompon'antoka tamin'izany fanolanana sy ny vono olona izany. Tsy fantatra mazava moa izay tena zava-nitranga ny alin'ny alahady hifoha alatsinainy lasa teo fa ny antso vonjin'ity tovovavy tao amin'io efitrano fandraisam-bahiny no nanaitra ny manodidina. Nidina ifotony avy hatrany ireo mpitandro filaminana, rehefa nisy nampandre. Ilay tovovavy efa mifatotra teo am-pandriana, niboridana tanteraka ny tapany ambany ary tao anaty rà mandriaka no hitan'ireto farany. Efa tsy nisy aina intsony. Ny fizahana nataon'ireo mpitsabo no nahafantarana fa niharan'ny fanolanana izy ary mbola noratraina ihany koa, anton'ny fahafatesany. Raha ny feo nandeha dia voalaza fa saika nangalarina ny taova tao anatiny. Tamin'io fotoana io ihany koa, rehefa nahita ny fahatongavan'ireo mpitandro filaminana ireo olon-dratsy dia nanao tari-dositra avy hatrany. Rafitra ny fifanenjehana ary tsy ela dia nifankatratra ny roa tonta, saingy tsy nety nijanona iretsy jiolahy na dia teo aza ny fampitandremana nataon'ireo mpanenjika. Voatery nampiasa ny basy teny an-tanany araka izany ireto mpanenjika ary voa tamin'izany ny roa, izay nianjera avy hatrany. Tsy tana noho ny ratra nahazo azy vokatr'izay tifitra izay moa ry zalahy ireto. Voalaza fa nisy naman'izy ireo iray ihany koa voasambotra ary efa eo am-panaovana fanadihadiana azy ireo tompon'andraikitra any an-toerana.

AllAfrica publie environ 500 articles par jour provenant de plus de 100 organes de presse et plus de 500 autres institutions et particuliers, représentant une diversité de positions sur tous les sujets. Nous publions aussi bien les informations et opinions de l'opposition que celles du gouvernement et leurs porte-paroles. Les pourvoyeurs d'informations, identifiés sur chaque article, gardent l'entière responsabilité éditoriale de leur production. En effet AllAfrica n'a pas le droit de modifier ou de corriger leurs contenus.

Les articles et documents identifiant AllAfrica comme source sont produits ou commandés par AllAfrica. Pour tous vos commentaires ou questions, contactez-nous ici.