Madagascar: Trafikana taova - Tovolahy iray tra-tehaka saika hamono sy haka voamason-jaza

Tranga niseho tany amin'iny distrikan'i Betioky Atsimo iny ny faran'ny herinandro lasa teo. Tovolahy iray 17 taona no voasambotry ny fokonolona ary natolotra ny zandary tao amin'ny kaominina Bezaha. Ity farany izay voarohirohy tamin'ny resaka fikasàna hamono ankizilahy kely 12 taona sy nikasa haka ny taovany. Araka ny fanazavany tamin'ireo mpanao fanadihadiana dia mpandraharaha mpitrandraka safira iray any an-toerana no naniraka azy, haka an-keriny zazalahy kely iray ary haka ny voamasony. Mazava ho azy fa misy tambiny izany saingy tsy mbola nandray izany moa ity farany raha tsy vita izay iraka nampanaovina azy, araka ny fanazavana azo hatrany. Tao amin'ny fokontany Magnalobe no nitrangan'ity tranga mampivarahontsana ity. Mpinamana ihany izy roalahy ireto, na ilay saika hamono na ilay niharan'ny vono. Tamin'io fotoana io dia nasain'iry voalohany hiara-hilalao any alavitry ny tanana ity farany. Nony tonga tany dia novonoin'ilay tovolahy 17 taona ity namany, ary notsindrominy avy hatrany tamin'ny hety maranitra izay efa nomaniny tany aminy tany. Niletra teo amin'ny kibony ilay zava-maranitra saingy tafatsoaka niantso vonjy tany an-tanana ihany ity farany, na dia teo aza ny rà nandriaka. Novonjena avy hatrany tany amin'ny tobim-pahasalamana moa ity naratra ity ary nampandrenesina ny zandary. Nisy avy hatrany ny fikarohana ilay nahavanon-doza. Tra-tehak'ireo andrimasom-pokonolona tany Besakoa, kaominina Bezaha moa ity tovolahy ity ary nomena ny zandary hatao famotorana taorian'izay. Mbola mitohy araka izany ny famotorana mahakasika ity raharaha ity any an-toerana.

AllAfrica publie environ 500 articles par jour provenant de plus de 100 organes de presse et plus de 500 autres institutions et particuliers, représentant une diversité de positions sur tous les sujets. Nous publions aussi bien les informations et opinions de l'opposition que celles du gouvernement et leurs porte-paroles. Les pourvoyeurs d'informations, identifiés sur chaque article, gardent l'entière responsabilité éditoriale de leur production. En effet AllAfrica n'a pas le droit de modifier ou de corriger leurs contenus.

Les articles et documents identifiant AllAfrica comme source sont produits ou commandés par AllAfrica. Pour tous vos commentaires ou questions, contactez-nous ici.