Madagascar: Raharaha Ikongo - "Tsy ny zandary irery no nitifitra" hoy ny SEG

"Rehefa hitan'ireo zandary manamboninahitra, tany an-toerana fa niha-ratsy ny toe-draharaha dia nisy ny fandefasana tatitra tany amin'ny Tonian'ny mpampanoa lalàna tany an-toerana. Ity farany izay nandefa avy hatrany, pôlisy dimy, niaraka tamin'ny mpandraharahan'ny fonja telo, nanampy isa ireo zandary miisa fito tao anatin'ny toby. Izany hoe, rehefa tsy tana sy voatohitra tamin'ny alalan'ireo fampitandremana maro isan-karazany ireo vahoaka dia voatery nitifitra ireto tao anaty toby. Tsy ny zandary irery".

Nitondra ny valin'ny famotorana tamin'ny ampahany, mahakasika ilay raharaha nahavoatifitra sy nahafaty olona tany Ikongo ireo tompon'andraikitra ambony teo anivon'ny zandarimariam-pirenana, izay notarihin'ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandary, ny Jly Serge Gellé, omaly tetsy amin'ny Toby Ratsimandrava. "Hita sy voamarina araka ny porofo ety an-tanana sy ireo fakàna am-bavany isan-karazany ireo olona voatonotonona, izay anisan'izany ireo zandary tao anaty toby fa tena tao anatin'ny faritra mena nofaritan'ireto mpitandro filaminana tokoa ireo no voatifitra" hoy ity tompon'andraikitra ambony ity. "Sivy ireo maty tsy tra-drano, ary samy tafiditra tao anatin'ilay kofehy fehy mena, 35 metatra mialan'ny toby, mamaritra ny maha-faritra mena ny "caserne" izy ireo.". Fanazavàna izay nentiny nandisoana ireo filazàna fa niniana notifirina sy nohenjehana taty ivelan'ny faritra mena ireo vahoaka. Mbola niampy ny hoe "ny akaiky indrindra aza dia teo amin'ny dimy metatra mialan'ny toby". Ankoatr'izay, nanazava ity manambonahitra jeneraly ity fa tsy maintsy misy ny an-tohatra arahana vao tonga tamin'ireny toe-javatra nampalahelo ireny : tsy maintsy atao ny fifampiresahana tamin'ireo fokonolona, ary nisy izany saingy nandamoka. Niditra tamin'ny fandefasana entona mandatsa-dranomaso anankiroa saingy mbola tsy nahasakana ireo andian'olona. Niroso indray ny fanapohana baomba mandatsa-dranomaso miisa dimy taorian'izay, saingy tsy nisy vokany. Voatery nanao tifi-danitra araka izany izy ireo saingy izy toe-javatra izay no tena nampirongatra ny olona. Eo anatrehan'ny zava-nisy dia tsy maintsy nanome baiko ny hitifitra ny tompon'andraikitra tamin'izany. "Raha ny marina tokony ho bala fingotra tokoa no nampiasaina, saingy tsy manana izany ny tao amin'ny "caserne". Dia tsy maintsy mampiasa izay eo am-pelan-tanana. Ary ny tranga eto dia efa tsy fitandroana ny filaminana intsony fa efa famerana izany filaminana izany miampy fiarovana ny toby. Hiharan'ny rehetra mahafantatra anefa ny famerenana ny filaminana dia maintsy mampiasa hery" hoy hatrany izy.

%

Marihana fa "mbola am-pahany amin'ny fakàna am-bavany ireo olona voatonotonona, izany ireo zandary nitifitra, sy ireo olona nanatri-maso ny zava-nisy, eny fa na hatramin'ireo naratra voatifitra aza no vita, hoy hatrany izy. Ny polisy sy ny mpandraharahan'ny fonja tao amin'ny toby, izay anisan'ny nitifitra, dia mbola tsy vita ny fihenoana azy". Nahatratra 49 isa hatreto ireo olona vita fakàna am-bavany izany, izay nahafahan'ny teo anivon'ny zandary namoaka ity fanazavana ity. Raha ny mikasika ireo olona efatra voarohirohy, niandohan'ity raharaha ity kosa dia mbola tsy hita izy ireo hatramin'izao, raha tafatsoaka tao anatin'ity korontana iny. Izy ireto, raha tsiahivina dia voalaza fa tompon'antoka tamin'ny famonoana feno habibiana ramatoa iray, renin'ilay zaza varira, nalaina an-keriny ihany koa ary notakian'ireo fokonolona atao fitsarambahoaka.

AllAfrica publie environ 600 articles par jour provenant de plus de 100 organes de presse et plus de 500 autres institutions et particuliers, représentant une diversité de positions sur tous les sujets. Nous publions aussi bien les informations et opinions de l'opposition que celles du gouvernement et leurs porte-paroles. Les pourvoyeurs d'informations, identifiés sur chaque article, gardent l'entière responsabilité éditoriale de leur production. En effet AllAfrica n'a pas le droit de modifier ou de corriger leurs contenus.

Les articles et documents identifiant AllAfrica comme source sont produits ou commandés par AllAfrica. Pour tous vos commentaires ou questions, contactez-nous ici.