Madagascar: Toliara - Orinasa mpamokatra " cocombre de mer " lasibatry ny andian-jiolahy mitam-piadiana

Efa tsy mihanona intsony amin'ny fanafihana tokatranon'olon-tsotra intsony ireo olon-dratsy. Tany amin'iny distrikan'i Toliara II iny, tao amin'ny fokontany antsoina hoe Andrevo, kaominina Manombo Atsimo, distrika Toliara II, orinasa iray fanta-daza amin'ny resaka famokarana hazan-dranomasina no nataon'ny andian-jiolahy nirongo fiadiana nitondra faisana, ny alarobia lasa teo. Araka ny fampitam-baovao azo dia nahatratra hatrany amin'ny 29 lahy tany ho any ireto andian-jiolahy ireto, izay sady nirongo fitaovam-piadiana toy ny basim-borona sy zava-maranitra isan-karazany. Ny tsy fantatr'ireto olon-dratsy ireto dia misy mpiambina zandary tao amin'io toerana io, nandrava avy hatrany izany fanafihana nokasain'iretsy voalohany natao izany. Raikitra tamin'izany ny fifandonana ary fantatra fa telo tamin'ireo mpanafika no maty voatifitra, iray kosa no naratra mafy voan'ny bala. Teo anatrehan'ny zava-nisy dia tsy nahavita nanao ny fikasan-dratsy ireto andian'olon-dratsy ireto, ary vaky nandositra. Tamin'io fotoana io ihany moa dia efa nandefa iraka hanampy sy hanatevina ny fiambenana ireo zandary efa tany an-toerana ny tompon'andraikitra.

Marihana fa ny volana novambra 2021 lasa teo no efa nisy disadisa tamin'ireo mponina tany an-toerana ity toeram-pitrandrahana hazan-dranomasina fantatra amin'ny anarana hoe " zanga " na " cocombre de mer " ity. Nisy mihitsy tamin'izay fotoana izay ny fidinanan'ireo tompon'andraikitra ambony, izay notarihin'ny minisitry ny jono sy ireo manam-pahefana tany an-toerana, nanao sy niezaka nandamina ny toe-draharaha tany an-toerana. Mety nisy nifandraisany sy tohin'izay disadisa izay ihany ve ? Tsy fantatra aloha hatreto. Ny fanadihadiana rahateo efa misokatra, izay sahanin'ny zandary avy ao amin'ny tobim-paritra Manombo Atsimo. Efa mandeha ihany koa ny fikarohana ny naman'ireto mpanafika orinasa ireto.

AllAfrica publie environ 600 articles par jour provenant de plus de 100 organes de presse et plus de 500 autres institutions et particuliers, représentant une diversité de positions sur tous les sujets. Nous publions aussi bien les informations et opinions de l'opposition que celles du gouvernement et leurs porte-paroles. Les pourvoyeurs d'informations, identifiés sur chaque article, gardent l'entière responsabilité éditoriale de leur production. En effet AllAfrica n'a pas le droit de modifier ou de corriger leurs contenus.

Les articles et documents identifiant AllAfrica comme source sont produits ou commandés par AllAfrica. Pour tous vos commentaires ou questions, contactez-nous ici.