Madagascar: Solika mitapoka ranon-javatra hafa - Olona enina voasambotry ny zandary, "camion citerne" 11 nogiazana

Tena misy ilay raha ! Tsy resaka tiana hateza eny amin'ny tambazotra sosialy intsony fa tena zava-misy ity solika mitapoka ranon-javatra hafa sy "petrole" ity. Fisolokiana sy trafika goavana tokoa, satria dia orinasa roa hatreto no fantatra fa miandraikitra izany tany Toamasina ary tra-tehaky ny zandary tany an-toerana, nandritry ny faran'ny herinandro teo.

Nanomboka ny alarobia teo no niasa mangina ireo zandary, nanao ny fanaraha-maso isan-karazany tamin'ireo toerana sy tobin-tsolika efa voatondro. Toerana iray, tao Tanandava no voalaza fa misy fivezivezena fiarabe "camion citerne" maromaro mpitondra solika. Tetsy andanin'izay, fiarabe iray ihany koa fantatra niala avy teny amin'ny tobin-tsolika iray tao Valpinson, izay nitondra barika 250 litatra, miisa 15, handeha hihazo an'io garazy tao Tanandava io. Taorian'ny fahazoan-dalana nomen'ny tonia mpampanoa lalàna tany an-toerana dia niroso avy hatrany tamin'ny fisavàna izany toerana izany ny zandary. Toerana izay marihana fa ana orinasam-pitaterana mpitondra solika iray. Tra-tehaka tao anatin'izany ny olona roa teo am-pikarakarana ranon-javatra, hanapohana ireo solika. "Tsy fantatra mazava io ranon-javatra io, raha ny loharanom-baovao fa ny hita dia nisy barika maromaro feno solitany sy gazoil nifangaro solin-tany tao, niampy fitoerana asidra "sulfurique" betsabetsaka ihany". Tetsy andanin'izay dia nahitàna "camion citerne" miisa 11 ihany koa niandry koa tao tamin'io toerana io, ka ny fito tamin'izany no mbola feno gazoil.

Niroso hatrany ny fanadihadiana. Omaly tao amin'io toerana voalaza etsy ambony io ihany saingy ana-orinasa iray hafa, manofa toerana ao ihany no niantefan'ny fisavàna. Toerana izay ahiahiana ho fitobian'ireo solika efa vita tapoka sy vonona ny haondrana. Nahitam-bokany tokoa izany satria nahitàna "cuves" mahazaka hatramin'ny 1000 litatra niisa 18 tao an-toerana ka ny 11 tamin'izany no nisy solika raha efa tsy nisy intsony ny ambiny. Ankoatr'ireo barika maromaro sy fitaovana mpitroka ranon-javatra ary fitaovana mpamokatra herinaratra. Ankoatr'ireo, niparitaka eraky ny tokontany ny "plomb de scellage" amam-polony maro, efa potika, izay marim-pamantarana manokana apetak'ireo orinasan-tsolika amin'ireo fiara mpitatitra izany, ho fanamarihana ny tsy mbola nisokafan'ireo fantsona mpamahana solika.

%

Hatreto dia mitotaly enina ireo olona voasambotra tao Toamasina: vehivavy tompon'andraikitra ilay toerana, mpamily ary mpiasa tao amin'io garazy io. Mbola mitohy kosa ny fanadihadiana lalina mahakasika ity raharaha ity any an-toerana, hikarohana ireo izay mety ho trondro vaventy ao ambadik'izao. Etsy andanin'izay dia mbola andrasana ny valin'ny fitiliana natao tamin'ireo solika voatapoka zavatra sarona ireto. Niara-nahatsapa daholo angamba ny rehetra, indrindra fa ireo mpampiasa fiara sy môtô eto an-drenivohitra sy tao Toamasina fa "mora lany" sy misy fofona hafahafa ireo solika eny amin'ireo mpaninjara izany tao ho ao izay. Efa maro ireo taraina niely patrana tanaty tambazotra sosialy, ary nisy mihitsy ireo "moteur" simba vokatr'izay kalitaon'ny solika izay. Tonga teny am-poton-tsofin'ireo tompon'andraikitra izany ary nanao ny asany ny zandary, ary izao nahitam-bokany izao.

AllAfrica publie environ 600 articles par jour provenant de plus de 100 organes de presse et plus de 500 autres institutions et particuliers, représentant une diversité de positions sur tous les sujets. Nous publions aussi bien les informations et opinions de l'opposition que celles du gouvernement et leurs porte-paroles. Les pourvoyeurs d'informations, identifiés sur chaque article, gardent l'entière responsabilité éditoriale de leur production. En effet AllAfrica n'a pas le droit de modifier ou de corriger leurs contenus.

Les articles et documents identifiant AllAfrica comme source sont produits ou commandés par AllAfrica. Pour tous vos commentaires ou questions, contactez-nous ici.