Madagascar: Jeneraly Ramiaramanana - "Angaroniko ny biby an-davaka rehefa mampahory vahoaka"

" Bongolava mandroso no tanjona, ary miady amin'ny tambajotra mpanodinkondina volam-panjakana, miady ain'ny kolikoly ary miaro ny vahoaka ny asan'ny governora (... ) Angaroniko ny biby an-davaka rehefa mampahory vahoaka. Ary izy no mitsapa vy mahamay", hoy ny Jeneraly Ramiaramanana rehefa nivoka tamin'ny fahanginany, taorian'ny vava nataon'ny filohan'ny sendikan'ny administratera sivily (Synad), tamin'ny alalan'ny tambajotran-tserasera momba ny fanesoarana ny prefet-n'i Tsiroanomandidy.

Naneho ny maha-miaramila azy ny governora ary hentitra sy nasiaka tamin'ny valiteniny. Vaky tanteraka ny ady eo aminy sy ny filohan'ny Synad. Ity farany izay nanitrikitrika ny governoran'i Bongolava mihitsy tamin'ny alalan'ny video nataony. Tsy ela fa namaly avy hatrany ny jeneraly Ramiaramanana : "tsy atahorako an'iza na iza satria mampahory vahoaka. Io fa miseho ny marina dia iny fa mialokaloka ao ambanin'ny Synad ny Préfet eto Tsiroanomandidy . Mila manao fandihadiana, hoy izy, fa tsy manao bontolo. Ny filankevitry ny minisitra no nanala ny prefet ny alarobia lasa teo". Voalaza fa fangatahan'ny fikambanan'ny ben-tanàna izao. Nanamafy ity farany fa tsy olona tahaka ny filohan'ny Synad no hiteny sy hampitandrina azy fa raha te hahita izy dia afaka midina any an-toerana mijery ny zava misy. Nisy tokoa mantsy ny fitarainana nataon'ireo mponina mivondrona ao anatin'ny fiompiana sy fihariana omby any amin'iny faritra Bongolava iny, mahakasika ny vola mihoapampana alaina amin'izy ireo. Raha ny 5000 ariary no vidin'ny FIB (taratasin'omby) dia 65.000 ariary no takiana amin'ireo tantsaha isaky ny omby, raha ny fanazavana azo. Izay zavatra izay no nampitroatra sy nampitaraina ireto mponina ireto. Nitarainan'izy ireo hatraiza hatraiza, ary nihenoan'ny ray aman-drenin'ny faritra azy ireo. "Efa nisy ny fifampiresahana teo amin'ny ben'ny tanàna ary niezaka nandamina ny amin'ny mety fandraisana andraikitry ny prefet amin'ny fitarainan'ny kaominina, saingy izao no niafarany" hoy ny Jly Ramiaramanana.

AllAfrica publie environ 600 articles par jour provenant de plus de 100 organes de presse et plus de 500 autres institutions et particuliers, représentant une diversité de positions sur tous les sujets. Nous publions aussi bien les informations et opinions de l'opposition que celles du gouvernement et leurs porte-paroles. Les pourvoyeurs d'informations, identifiés sur chaque article, gardent l'entière responsabilité éditoriale de leur production. En effet AllAfrica n'a pas le droit de modifier ou de corriger leurs contenus.

Les articles et documents identifiant AllAfrica comme source sont produits ou commandés par AllAfrica. Pour tous vos commentaires ou questions, contactez-nous ici.