Madagascar: Ankazomborona-Marovoay - Dahalo 3 lavon'ny balan'ny zandary nandritra ny fanarahan-dia

Niverina indray ny halatr'omby ataon'ireo dahalo manao andiany any amin'iny faritra Boeny iny raha somary tony izany teo aloha teo. Isan'ny tena nalaza tamin'izany ny kaominina Ankazomborona, ao amin'ny distrikan'i Marovoay. Tsy dia nandrenesana fanafihana maery vaika intsony tany tao ho ao indrindra fa rehefa nisy ny hetsika fampandriam-pahalemana goavana nataon'ny miaramila farany teo ireny. Raha ny zava-misy ankehitriny dia tsara angamba ny hamerenana hetsika toy ireny fa mandry andrin'antsy ireo mponina raha tsy hilaza ity nahazo ny tao amin'ny tanàna antsoina hoe Andoharano, Dhalo ampolony maro mitondra basim-borona sy mirongo zava-maranitra toy ny famaky sy lefona no niditra nanafika tao an-toerana ny alin'ny 20 septambra teo. Sady nanapoaka basy izy ireo no nanampim-baravarana ny iray tanàna. Raha vao nandre izany ny zandary avy ao borigadin'Ankazomborona rehefa nahazo fanairana dia tsy niandry ela fa nanara-dia avy hatrany niaraka amin'ireo fokonolona. Nifanehatra tao amoron'i reniranon'Ambavan'i Marovoay, ao amin'ny fokontany Ambinanikely, kaominina Marosakoa, mbola ao amin'ny distrikan'i Marovoay ny roa tonta 21 septambra 2022 tamin'ny 4 Ora tolakandro. Nisy ny fifadonana ka dahalo telo no lavon'ny balan'ny zandary nandritra izany. Ny roa tamin'ireo anefa dia lasan'ny rano ka mbola tsy hita ny fatiny na dia efa nikaroka aza ny fokonolona. Tsy nisy naratra na maty kosa ny fokonolona sy ny mpitandro ny filaminana. Tafaverina avokoa ireo omby 15 izay norobain'ireto olon-dratsy ireto nandritra ny fanafihany.

AllAfrica publie environ 600 articles par jour provenant de plus de 100 organes de presse et plus de 500 autres institutions et particuliers, représentant une diversité de positions sur tous les sujets. Nous publions aussi bien les informations et opinions de l'opposition que celles du gouvernement et leurs porte-paroles. Les pourvoyeurs d'informations, identifiés sur chaque article, gardent l'entière responsabilité éditoriale de leur production. En effet AllAfrica n'a pas le droit de modifier ou de corriger leurs contenus.

Les articles et documents identifiant AllAfrica comme source sont produits ou commandés par AllAfrica. Pour tous vos commentaires ou questions, contactez-nous ici.