Madagascar: Ambohimahitsy - Vehivavy maty tsy tra-drano nohitsahin'ny fiarabe tapaka hisatra

Omaly hariva dia nandriaka indray ny rà tetsy Ambohimahitsy. Renim-pianakaviana iray no maty tsy tra-drano rehefa nohosehin'ireny fiarabe mpaka fako ireny, teny an-toerana. Zaza kely iray izay nentin'ity ramatoa ity kosa no naratra mafy.

Mety ho olana ara-teknika, hoy ny fanazavana azo avy amin'ny zandary miandraikitra iny faritra iny, no nahatonga ity loza mahatsiravina ity indray. Vao avy any Mahazo ilay fiara, ary handeha hidina an'iny fidinam-be an'Ambohimahitsy dia efa somary naka sisiny sy hafahafa fandeha, raha ny fitantaran'ireo nanatri-maso. Tamin'io fotoana io ihany koa anefa, tokony ho tamin'ny efatra ora sy sasany mahery dimy teo ho eo, no nisy renim-pianakaviana niampita tampoka niaraka tamin'ny zaza, izay nifanandrify indrindra tamin'ity fiara, izay efa tsy afa-nijanona intsony. Niezaka niala ny mpamily, saingy tsy tana intsony ny loza. Voadona ary voarain'ny kodiarana ilay vehivavy. Voatetin'ny aloha ary niraikitra tao amin'ny kodiarana aoriana, izay nanjary tohana ho an'ilay fiara, tsy nahafahany nandeha nintsony. Ny lohany mihitsy no tafasitrika tao ambany kodiarana. Maty tsy tra-drano ity vehivavy manodidina ny 40 taona ity. Naratra mafy vokatry ny dona nahazo azy ihany koa ilay ankizikely nentiny, tokony ho 10 taona teo ho eo, ary nentina novonjena malaky tany amin'ny toeram-pitsaboana. Araka ny fanazavana azo dia tsy tazana teny an-toerana intsony ny mpamilin'izany fiarabe izany taorian'ny fotoana nitrangan'ny loza. Taorian'ny fijerena ifotony zava-nisy moa dia nanokatra avy hatrany ny fanadihadiana ireo mpitandro filaminana ka ny tobim-paritra Ambohimangakely no miandraikitra izany. Efa mandeha ihany koa ny fikarohana ilay mpamily nahavanon-doza.

AllAfrica publie environ 400 articles par jour provenant de plus de 100 organes de presse et plus de 500 autres institutions et particuliers, représentant une diversité de positions sur tous les sujets. Nous publions aussi bien les informations et opinions de l'opposition que celles du gouvernement et leurs porte-paroles. Les pourvoyeurs d'informations, identifiés sur chaque article, gardent l'entière responsabilité éditoriale de leur production. En effet AllAfrica n'a pas le droit de modifier ou de corriger leurs contenus.

Les articles et documents identifiant AllAfrica comme source sont produits ou commandés par AllAfrica. Pour tous vos commentaires ou questions, contactez-nous ici.