Madagascar: Vondron-kery manokan'ny zandary Ivato - Tontosa ny famoahana ireo andiany roa avy amin'ny MIP sy TIP

Zandary 51 mianadahy no navoaka tamin'ny fomba ofisialy omaly tetsy amin'ny vondron-kery manokana fampiofanana eo anivon'ny zandarimariam-pirenena na ny CFS (centre de formation specialisée ) tetsy Ivato omaly. Zandary izay niofana manokana nandritry ny efa-bolana ho amin'ny fiatrehana ireo olon-dratsy na mitana fitaovam-piadiana na tsia. Nizara roa izy ireo dia nisy ireo avy amin'ny andiany MIP na ny "moniteur d'intervention professionnelle", izay hanofana sy hizara ny fahalalana norantovin'izy ireo ho an'ireo zandary amin'ny toby rehetra eto Madagasikara ary TIP na ny "techinicien d'intervention professionnelle" izay hanamafy sy hanatevin-daharaha ireo zandary ihany amin'ny fiatrehana sy hifehezana ireo olon-dratsy. Marihana fa tamin'ity andiany TIP ity no nahitàna vehivavy zandary miisa roa, izay sambany tanteraka ho an'ity vondron-kery manokana ity. Ny tanjona, hoy ny Kly Rakotonirina Lala Henri, Kaomandin'ny CFS etsy Ivato dia ny hampihena na tsy hampisy mihitsy ny faharatrana na fahafatesan'ireo zandary eny am-panaovana ny asany, indrindra ireo mifanehatra mivantana amin'ireo olon-dratsy. Manana ny fahaiza-manaony manokana ireto andiany vao nivoaka ireto ary noporofoin'izy ireo izany tamin'ny alalan'ny fampisehoana izany, nandritra ny lanonana famoahana azy ireo ara-pomba ofisialy omaly tetsy Ivato. Lanonana izay natrehan'ireo tompon'andraikitra ambony eo anivon'ny fibaikoan'ny zandarimariam-pirenena, notarihan'ny Kaomandin'ny zandariampirenena, ny Jly Andry Rakotondrazaka, ary notronin'ireo olo-manan-kaja maro sivily sy miaramila.

AllAfrica publie environ 600 articles par jour provenant de plus de 100 organes de presse et plus de 500 autres institutions et particuliers, représentant une diversité de positions sur tous les sujets. Nous publions aussi bien les informations et opinions de l'opposition que celles du gouvernement et leurs porte-paroles. Les pourvoyeurs d'informations, identifiés sur chaque article, gardent l'entière responsabilité éditoriale de leur production. En effet AllAfrica n'a pas le droit de modifier ou de corriger leurs contenus.

Les articles et documents identifiant AllAfrica comme source sont produits ou commandés par AllAfrica. Pour tous vos commentaires ou questions, contactez-nous ici.