Madagascar: Rarasikarena

Tantara nozarain'i Prof. Rapelanoro Aimé ity manaraka ity. Ny Raibeny sy Renibeny, avy amin'ny Reniny, dia taranak'i Rarasikarena-Zokiny. Araka ny ambarany : "Tsiahin'ampahan-tantara iray tsy dia heno na koa efa voasoratra, mba tsy ho very nohon'ny fanadinoina, mba tsy ho lovan-tsofina hiany fa hisoratra". Hoy Raonimalazan'Andriamanompolanitra.

Fantatra fa isan'ny mandrafitra ny maha malagasy antsika, sy maha Firenena tokana antsika, nefa marolafy, ny tantaram-piaviana sy Firazanana. Misy izany ny tsara ho marihina sy zaraina, na dia mazàna aza misy ny fisalasalana eo amin' ny mpitahiry tantaram-pianakaviana sy tetiharana. Satria hoy ny fiteny hoe "Aza be resaka sy be tantara eo, fa sao angalarin'olona eo ny tantarantsika".

Raha miresaka an'ny Fivondronan'i Fandriana isika, ao amin'ny Faritra amoron'i Mania, izay manana ny hasi-taniny, hoe "Fisakana tsa hanim-boay", dia mazàna zavatra roa no tsikaritra satria voateny matetika sy voizin'ny serasera, ofisialy mazàna :

- "Ny ao Fandriana ao tsa Betsileo, fa Merina ny ankamaroany, ary tsa misy izany Betsileo avaratra sy atsimo izany, fa aty Fianarantsoa hiany no misy azy ".

- " Miely koa ny resaka indrindra tamin'ny Repoblika voalohany, fa i Fandriana dia mizara zana-paritra roa, dia i Fandriana sy Sahamadio izay kaominina roa samihafa tokoa mielanelana dia tongotra adiny roa ". Ary lazaina fa i Sahamadio Merina satria toerana misy tantaran'izany tokoa iny ; fa i Fandriana hiany no betsileo.

Ny tantara anefa tsa fagnadigno, fa misy fotoana hanaovana ny Tsiahy, ka izay no nisafidianana ny hamelona fohy ny amin'i andriandahy Rarasikarena.

%

Taon-jato faha dimy ambin'ny folo tany ho any (satria ny mpitantara izao dia lazain'ny antitra fa taranaka faha valo ambin'ny folo), dia nisy Andriandahy mpirahalahy nonina sy nanjaka tao amin'ny faritra atsinanan'Ambalavao - Tsienimparihy iny, amin'iny faritra mitanandavana am-pototry ny tari-bohitra Andringitra, misy ny vohitra an' Ambondrombe aty amin'ny tapany avaratra akaikin'ny kaominina Ambohimahamasina, mahatazana an'i Fandanana, ary koa misy ny vohitra iray lolohavin'ny tanàna iray atao hoe Namoly. Io toerana io no foiben'ny tany nanjakan'ny Rarasikarena mirahalahy, ny zokiny moa no tompo-pahefana tamin'izany. Hoan'ireo mahalala ny toerana iny, izay efa tongavan'ny Amerikana, dia misy riandrano roa mifanila ao ambohitra ao, izay mitondra ny anarana hoe "Andriandahy" sy "Andriambavy ".

Tsy anton-tsoratra izao amin'ny resaka foto-piaviana mikasika ny maha jiosy na tsia ?

Nanjaka naharitra tamin'iny faritra iny Rarasikarena, ary niara nonina tsy nisy raorao taminy ny zandriny. Taty aoriana nefa dia tonga hono ny tsindri-mandry tamin'ny Hova Rarasikarena zandriny, fa izany koa no iantsoana ny Andriana amin'iny faritra atsimo iny, ka nahatonga azy nampiaka-dresaka tamin'ny zokiny izay Mpanjaka, ka nanao hoe : "Masinà agnao ny Andriana, fa aho misy resaka... . ". Dia sady malahelo hono no miteny amin'ny Zokiny ity zandriny no milaza hoe : "Tsofy rano aho ny Andriana, fa handeha hitady tany malalaka honenako fa manomboka tery hoantsinka ny eto". Nandre izany ny Mpanjaka dia nalahelo ary tsy niteny fa nisintona.

Dia tonga ny andro iray namorian' i Rarasikarena ny tompom-pahefana sy ny mpanolotsaina, ary ny vahoakany, miaraka amin'ny mpanandro/masina : "Noho ny fangatahana sy fanirin'ny Zandriko handeha hisaraka amiko, dia handeha isika hirona hanatitra azy any avarabaratra any".

Tonga ny fotoana dia nifanatitra tokoa izy mirahalahy miaraka amin'ny vahoaka sy ny anagnana rehetra, niainga teo Namoly, ary nizotra niagnavaratra. Niroso ny dia, ka tonga tamin'ny toerana iray nialan-tsasatra maharitra. Teo amin'ny ny sampanan-dalan'Ambalavao sy Alakamisy n'Itenina amin'izao io toerana nitobian-dreo io : " Vala matin-dRarasy " no iantsoana io toerana io mandrak'izao, ary tany lazain'ny mponina ao Talatan'ampano ho fady sy masia-dolo. Misy vatolahy mijoro eo hatramin'izao, ary antsoina hoe "Ambatolahin-dRarasy".

Tonga tokoa anefa ny fotoana hifanaovam-beloma, rehefa avy nibaiko ny hizarana mitovy ny anagnany aby ny Mpanjaka Rarasikarena Zokiny, dia niantso mangina ny zandriny izy alohany hanaovany kabarim-beloma ! Toy izao ny dinika nataony tamin'ny zandriny : "Hisaraka isika, fa izao, leha agnao ro minga araka ny fanirianao, dia hatao ny olotsinka sy ny vahoaka hoe noroahiko ny rahalahiko zandriko, dia ho ratsy maso sy fahefana eo amin'ny Fiaraha monina aho Mpanjaka, ka hamparefo ny Fanjakantsika izany ! Koa tapaka ny hevitro fa agnao mijano aty an-toerana, fa aho ro handeha hikisaka hiagnavaratra ; tsa misy sahy hiteny hoe, niroahanao aho".

Vita teo ny veloma, ary mandrak'izao dia misy koa Fokontany iray iny faritra vohibato iny mitondra ny anarana hoe "Rarasy".

Niroso nianavaratra ny diaben'ny Andriana sy ny fokony rehetra mbamin'ny mpanompo sy ny masina, ary rehefa tonga tamin'ny toerana lavi-davitra iray nitobiana indray dia niteny ny masina hoe " Ity toerana ity mety hoanao ny Andriana, ary azo ionenana". Koa nagnarihary ny toerana voalaza ny Andriana, ka niakatra tamina vohitra iray manila an'ilay toerana voalazany masina ; dia nitopy nianatsimo atsinanana ny maso, ary nisento izy no nanondro lavitra ka niteny hoe "Tadidionareo taranaka sy vahoaka, fa avy tamin'iry faritra iry no niaviako".

Tendrombohitr'i Manangana io vohitra mbola misy vakoka-piandrianana io, izay mahatazana ny vodilanitry ny faritra Andringitra rehefa lohataona, ary niakaran'i Rarasikarena nametrahany Fanjakana. Ary raikitra hoe "Tadio", io toerana ao Fandriana io. Betsileo avy any atsimo no fotorany ary mbola fantatra daholo ny mpiray rà amin'izany taranaka Rarasikarena izany.

Eo akaikin'ny fasana ilevenany ao Ambohipierenana-Tadio, izay toerana tsy dia azon'ny olon-drehetra dikaina sy lalovana, dia misy ny Vatolahin-dRarasy. Ny toerana nisy ny tsena natsangany tamin'izany, dia mbola ao Fandriana, ary mitondra ny anarana hoe "Tsena kelin-dRarasy" mandrakan'anio.

Marihina fa i Jean Emilien mpanao kabosy sy farara "Champion du Monde" ny Harmonica, dia taranak'i Rarasikarena-Zandriny izay nandova Fanjakana tao amin'ny Faritra Andringitra. Mbola ny Rainy no Andriana, Hova moa no ilazana azy : ao Namoly izy no monina. Mibaby tagnana, fady sokina sy trandraka, ary fady sy tsy mitaiza omby fotsy loha mena no iraisan'ny taranak'i Rarasikarena-Zokiny sy Rarasikarena-Zandriny. Heveriko fa taloha kelin-dRafovato ny Fanjakan'i Rarasikarena tao Tadio io, satria eo amin'ny tsena vaovao ao Fandriana no misy vatolahy iray an-dRafovato-Rivoekembahoaka.

AllAfrica publie environ 400 articles par jour provenant de plus de 100 organes de presse et plus de 500 autres institutions et particuliers, représentant une diversité de positions sur tous les sujets. Nous publions aussi bien les informations et opinions de l'opposition que celles du gouvernement et leurs porte-paroles. Les pourvoyeurs d'informations, identifiés sur chaque article, gardent l'entière responsabilité éditoriale de leur production. En effet AllAfrica n'a pas le droit de modifier ou de corriger leurs contenus.

Les articles et documents identifiant AllAfrica comme source sont produits ou commandés par AllAfrica. Pour tous vos commentaires ou questions, contactez-nous ici.