Madagascar: Tsy filaminana eto Toamasina - Nirefodrefotra ny basy ny alatsinainy alina, jiolahy roa lavon'ny polisy

Taorian'ny fiantsona mpanao gazety nataon'ny talen'ny filaminana anatiny eto Toamasina, ny Controleur General de Police Rakototiana Laubel Valison, izay niarahany tamin'ny kaomisera efa-dahy eto Toamasina misahana ny filaminam-bahoaka, dia raikitra avy hatrany ny "operation" nataon'ireo polisin'ny "saka mainty" avy amin'ny USI avy ao Antananarivo izay efa tonga eto Toamasina, sy ny ekipan'ny polisy avy eto Toamasina ny hariva.

Efa napetraky ny polisim-pirenena rahateo fa natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany no antom-pisian'izy ireo, ka hametraka izay filaminana izany no tanjona amin'izao hetsika manokana ataon'izy ireo izao. Misy vokatra izany ny fidinana ifotony isaky ireo fokontany voasokajin'ny polisy ho mafana amin'ny asan-jiolahy, ka isan'izany ny fokontany Andranomadio P/elle 11/43 iny. Tao anefa dia nisy ny fifanenan'ireto polisy avy amin'ny USI sy avy eto Toamasina ireto tamin'ireo andian-jiolahy teo am-piketrehana fanafihana sy vaky trano tokony tamin'ny 09 ora latsaka tany ho any.

Raha ny fanazavana dia ireto andian-jiolahy no nitifitra avy hatrany raha vao nahita ireto polisy ireo, ka namaly izany ireto farany. Vokatr'izany dia jiolahy roa no lavo ary sarona tamin'izany ny basy "revolver" iray sy antsy fohy fampiasan'ireto jiolahy. Araka ny fantatra dia nanao fisamborana ireto jiolahy ny polisy ka tsy fantatra ny isan'ireo voasambotra nandritra izany, ankoatra ireo roa maty voatifitry ny polisy.

Hentitra ny baiko avy amin'ny talen'ny filaminam-bahoaka Toamasina, ny Controleur Général de Police Rakototiana Laubel Valisoa, mikasika ny tsy fandriam-pahalemana eto Toamasina, fa tsy maintsy fongorina hatramin'ny farany izany, mba hahafahan'ny olona miatrika ny faran'ny taona sy fotoam-piotazana litchi am-pitoniana ato ho ato. Izay rahateo no nanafarana ireto USI ireto mba hifanampy amin'ireo polisy avy eto Toamasina amin'izay famongorana ny asan-jiolahy miha-mahazo vahana izany.

AllAfrica publie environ 400 articles par jour provenant de plus de 100 organes de presse et plus de 500 autres institutions et particuliers, représentant une diversité de positions sur tous les sujets. Nous publions aussi bien les informations et opinions de l'opposition que celles du gouvernement et leurs porte-paroles. Les pourvoyeurs d'informations, identifiés sur chaque article, gardent l'entière responsabilité éditoriale de leur production. En effet AllAfrica n'a pas le droit de modifier ou de corriger leurs contenus.

Les articles et documents identifiant AllAfrica comme source sont produits ou commandés par AllAfrica. Pour tous vos commentaires ou questions, contactez-nous ici.