Madagascar: Isotry - Jiolahy raindahiny amin'ny fanedahana saron'ny pôlisy

Ao anatin'ny ezaka hampandriana fahalemana ireo faritra mafampana eny amin'iny Isotry iny ireo pôlisy ao amin'ny kaomisarian'ny boroborin-tany faha-4 ankehitriny. Ao anatin'izany ny fametrahana pôlisy eny amin'ireo toerana be mpivezivezy mba hisoroana ny fanararaotana ataon'ireo olondratsy. Isan'ny araha-maso akaiky iny faritra manodidina ny Tetezan-dRamala iny na nandritra izany no nahasaronana lehilahy iray 20 taona nampiahiahy fihetsika teny an-toerana omaly tokony ho tamin"ny 12 ora sy sasany. Ity farany moa izay efa malaza amin'ny halatra miaraka amin'ny fampiasana fitaovam-piadiana maranitra eny an-toerana. Nandritra ny fisamborana azy dia mbola hita teny aminy ny antsy miisa 02 sy tournevis izay andrahonany olona sy ampiasainy mandritra ny asa ratsy izay fanaony. Efa fantan-daza sy mpameri-keloka amin'ny asa ratsy toy izao ity lehilahy voasambotra ity. Fantatra fa any Andohatapenaka ny tenany no mipetraka fa eny amin'ny faritra Isotry kosa izy no manao ny asa ratsy. Hatolotra ny Fitsarana avy hatrany ity olona ity aorian'ny fanadihadiana.

AllAfrica publie environ 400 articles par jour provenant de plus de 100 organes de presse et plus de 500 autres institutions et particuliers, représentant une diversité de positions sur tous les sujets. Nous publions aussi bien les informations et opinions de l'opposition que celles du gouvernement et leurs porte-paroles. Les pourvoyeurs d'informations, identifiés sur chaque article, gardent l'entière responsabilité éditoriale de leur production. En effet AllAfrica n'a pas le droit de modifier ou de corriger leurs contenus.

Les articles et documents identifiant AllAfrica comme source sont produits ou commandés par AllAfrica. Pour tous vos commentaires ou questions, contactez-nous ici.