Madagascar: Kianja mainty Isotry - Lehilahy 58 taona sarona nivarotra rongony

Azo antenaina ihany ny hampndry fahalemana ireo faritra mafampana toy ny eny Isotry sy ny manodidina azy iny raha mitohy izao fandraisana andrraikitra ataon'ny fiaraha-monina izao. Rangahy lehibe iray 58 taona no voasambotry ny Polisy avy ao amin'ny kaomisaria boriboritany faha-4 etsy Isotry omaly 24 novambra 2022 tokony tamin'ny 6 ora sy sasany maraina teny amin'ny Kianja Mainty manodidina ny Manarintsoa Centre et Est nitazona sy nivarotra rongony. Ollona tsara sitrapo no nilaza tamin'ireo polisy nanao fisafoana teny amin'ny mandidina iny faritra iny ny fisian'ity fandikana lalàna goavana ity tamin'io fotoana io. Raha vao nandre izany ireo mpitandro ny filaminana dia nidina teny an-tsehatra avy hatrany hizaha ny zava-misy. Vokany, lehilahy lehibe iray no voasambotra tamin'izany. Rehefa nosavaina izy dia nahatratrarana Rongony 60 fonosana izay tao anaty sachet plastika. Nosamborina avy hatrany ity olona ity ary nogiazana ny entany ka noentina teny amin'ny biraon'ny polisy hanaovana fanadihadiana.. Tamin'izany no nilazainy fa azy ireo rongony ireo izay hamidiny eny amin'niny faritra Manarintsoa iny Tsikaritra tokoa tato ho ato fa mirongatra indray ny fiparitahan'ity zava-mahadomelina ity eto Antananarivo. Fositra iray izay mampirongatra ireo asa-ratsy maro isan-karazany toy ny fanolanana sy ireo halatra mitam-piadiana. Tsy tompon'ny tenany intsony ireo mpidoroka azy ireny ka zary sahisahy hanao ny tsy fanao.

AllAfrica publie environ 500 articles par jour provenant de plus de 100 organes de presse et plus de 500 autres institutions et particuliers, représentant une diversité de positions sur tous les sujets. Nous publions aussi bien les informations et opinions de l'opposition que celles du gouvernement et leurs porte-paroles. Les pourvoyeurs d'informations, identifiés sur chaque article, gardent l'entière responsabilité éditoriale de leur production. En effet AllAfrica n'a pas le droit de modifier ou de corriger leurs contenus.

Les articles et documents identifiant AllAfrica comme source sont produits ou commandés par AllAfrica. Pour tous vos commentaires ou questions, contactez-nous ici.