Madagascar: Ambatondrazaka - Zazavavy kely naolan'ny dadatoany

Simba tanteraka ity ankizivavy vao efa-taona monja, niharan'ny herisetra ara-nofo, tao amin'ny fokontany Ambohitrandriana, kaominina Bejofo, distrikan'Ambatondrazaka. Tsy iza tsy akory fa ny fianakaviany akaiky ihany no nahavanon-doza : ny dadatoany. Ny alin'ny talata teo no nentina namonjy toeram-pitsaboana haingana ity zazavavy kely ity, rehefa nitaraina narary azy teo ambanin'ny kibony. Araka ny fampitam-baovao azo dia nilaza ity ankizy ity fa " mangidihidy ary misy marary ao amin'ny fivaviany ". Rehefa nojeren'ireo ray aman-dreniny izy dia hita fa nisy rà nandeha tamin'izany taovam-pananahany izany. Ny fizahan'ireo mpitsabo tao amin'ny hôpitalin'Ambatondrazaka no nahafantarana fa niharan'ny fanolanana ilay zaza. Talohan'io fotoana io tokoa mantsy, tokony ho tamin'ny dimy ora hariva tany ho any dia nalain'ny dadatoany tao an-tranon'izy ireo ilay zazavavy, mba hoa entiny mandeha milalao. Tsy naveriny tao an-tokatranony raha tsy tamin'ny fito ora hariva tany ho any. Havana ihany moa ka tsy nisalasala ireto ray aman-drenin'ilay zaza nandefa azy, eny fa na dia voalaza fa efa mamomamo aza ity farany, hoy hatrany ny fampitam-baovao azo. Taorian'izay no nitranga izay fitarainan'ilay zaza izay. Tsy nisy nisalasalana araka izany fa ity dadatoany ity ihany no nahavita izao habibiaan mihoa-pampana izao. Omaly maraina no nametraka fitoriana teny anivon'ny zandary avy ao amin'ny zana-tobim-paritra Vodihala moa ireo ray aman-drenin'ilay zaza. Ilay olona nahavanon-doza kosa hatreto, raha ny fantatra hatrany dia nitsoaka ary tsy mbola hita tany nanjavonana hatreto. Efa mandeha ny fikarohana azy any an-toerana.

AllAfrica publie environ 600 articles par jour provenant de plus de 100 organes de presse et plus de 500 autres institutions et particuliers, représentant une diversité de positions sur tous les sujets. Nous publions aussi bien les informations et opinions de l'opposition que celles du gouvernement et leurs porte-paroles. Les pourvoyeurs d'informations, identifiés sur chaque article, gardent l'entière responsabilité éditoriale de leur production. En effet AllAfrica n'a pas le droit de modifier ou de corriger leurs contenus.

Les articles et documents identifiant AllAfrica comme source sont produits ou commandés par AllAfrica. Pour tous vos commentaires ou questions, contactez-nous ici.