Madagascar: Lavanty ny fadintseranana Toamasina - Hatao manomboka anio ny famarotana ireo entana lany daty

Araka ny fanazavana nataon'ny "coodonateur" ny Inspekteran'ny ladoany, Rtoa Andrianarivo Rova Tiana, sy ny lehiben'ny sampana misahana ny lavanty ao amin'ny ladoany, Rtoa Maminirina Rasoanasolo Majoie, dia hiavaka ny fanaovana ity lavanty atao ny 13 desambra izao ity satria ireo orinasa afaka hanodina ny vokatra ho zezika ihany no afaka mandray anjara, izay tsy miova ny fomba fandraisana anjara amin'izany.

Nambaran'ny vadintany mpaao lavanty Me Rakotonindrina Tovohery, manomboka ny datin'ny 13 desambra io no manomboka ny fandraisana ny valopy mikatona avy amin'izy ireo aorian'ny fitsidihana ireo entana miisa 93 kaontenera misy ireo entana ireo izay samy manana ny "lots" misy azy avy. Mandritra izany dia misy ny antoka 20% tsy maintsy hapetraky ny mpanao lavanty, ka ny 15 desambra no anaovana ny fijerena ireo valopy samy hafa, ahalalana ny mahazo ny entana mandritra izany. Raha ny fanazavan'ny vadintany mpanao lavanty "pâtes" - lafarinina - vary efa lany daty izy ireo ka tsy azo amidy intsony, ka izay no ilana ireo orinasa mpanodina zezika ireo manao fifanarahana ara-taratasy fahanodina izany ho zezika fa tsy sanatria hamarotra azy indray.

Misy ny fiaraha-miasan'ny ladoany, ministerany varotra, ny ministerany fiompiana, ny ministerany fambolena, ny Mictsl,... ary ny eo anivon'ny Bianco, satria miisa 07 eo izy ireo no anatin'ny kaomisionina mandinika ny fanaovana ity lavanty ity. Mifanome fotoana ny talata 13 desambra izao ireo mpanao lavanty sy ireo mpandray anjara amin'izany, ka any amin'ny alakamisy 15 desambra ny fotoana ahalalana ny mahazo ny entana.

AllAfrica publie environ 400 articles par jour provenant de plus de 100 organes de presse et plus de 500 autres institutions et particuliers, représentant une diversité de positions sur tous les sujets. Nous publions aussi bien les informations et opinions de l'opposition que celles du gouvernement et leurs porte-paroles. Les pourvoyeurs d'informations, identifiés sur chaque article, gardent l'entière responsabilité éditoriale de leur production. En effet AllAfrica n'a pas le droit de modifier ou de corriger leurs contenus.

Les articles et documents identifiant AllAfrica comme source sont produits ou commandés par AllAfrica. Pour tous vos commentaires ou questions, contactez-nous ici.