Madagascar: Ranon'orana lasa an-driaka satria very dobo

Mirotsaka vaventy ny orana ao alatrano ao. Vonto izay ho vonto. Ny tany mihanjaka tsisy faka mihazona sy ravina manarona kosa dia kaohiny hanatevina ny rian'i Betsiboka, tsy mba mavom-potaka tonga namana tahaka an'Ikopa intsony, fa menan'ny nofon-tany ho very an-dranomasina. Izao ranon'orana manasa ny ravin'amontana ao ivelany ao izao moa dia jerem-potsiny hamonjy tatatra. Aiza ny dobo nataon'olombelona hanampy ny kamory sy hanatevina ny farihy vita-Nanahary ?

Dia mbola tsaroana hatrany ity nofinofy efa natsidika tamin'ny 17 aprily 2019 ity. Rahoviana ihany Ra-Fanjakana vao hihevitra "Alaotra" (laut = ranomasina amin'ny teny indoneziana) na "Itasihanaka" (tasik = farihy amin'ny teny indoneziana) vaovao ambony atsinanan'Antananarivo na ambany andrefan'Analamanga na etsy Laniera. Taloha, vao valopolo taona lasa fotsiny, mbola azo nolakanina, nandehana lakana, miala teo Ambodin'Isotry ka hatrany Isahafa-Avaradrano. Tantara zary angano sisa izany satria ny teo aza, nifaninanana nototofana : nasiana "bypass", namaritana "rocade", novolena "lotissements", natao "67 hectares"...

Ny "dobon'i Callixte Savaron" tetsy Imerimanjaka, izany, ny Laniera izany, i Betsimitatatra izany. Farihy vaovao ary ambony atsinanan' Antananarivo, amin'iny faritra Vakini-Varahina iny: Masindray-Alasora-Imerimanjaka. Dia farihy tobin-drano hafa koa aty ambany andrefan'Antananarivo: indrisy, io Betsimitatatra totofana isan'andro io... Farihy be hilalaovana lakam-piara, hisangiana trondro-laoka, fitehirizan-dranonorona... Mety ho loharanon'angovo ihany koa na dia malefaka aza ny fidinan'ny lemaka manodidina an'Antananarivo, atsinanana miankandrefana, raha tanteraka eto ilay teknolojia hoe "STEP". Hevero vetivety anie izany farihy-dobo-kamory midadasika izany, hanangonana ranonorana.

Vakini-Varahina, Vakini-Sisaony, Vakini-Mamba, Vakin'Ikopa. Rano hanaranam-po. Mantasoa faharoa. Mandroseza fanampiny. Tsiazompaniry sosona. Iny faritra manolotra an'Ikopa sy Sisaony, tobin-drano tsy hita velively ! Tsy zakan'ny Ministera tokana izany nofy izany, fa tsy maintsy hifandrimbonana : Angovo, Rano, Tontolo iainana, Fanajariana ny Tany, Fikarohana siantifika. Ministeran'ny Revy tsy ritran'ny Fararano.

AllAfrica publie environ 600 articles par jour provenant de plus de 100 organes de presse et plus de 500 autres institutions et particuliers, représentant une diversité de positions sur tous les sujets. Nous publions aussi bien les informations et opinions de l'opposition que celles du gouvernement et leurs porte-paroles. Les pourvoyeurs d'informations, identifiés sur chaque article, gardent l'entière responsabilité éditoriale de leur production. En effet AllAfrica n'a pas le droit de modifier ou de corriger leurs contenus.

Les articles et documents identifiant AllAfrica comme source sont produits ou commandés par AllAfrica. Pour tous vos commentaires ou questions, contactez-nous ici.