Madagascar: Ambohimahasoa - Mpivady maty nilatsaham-potaka, sivy hafa naratra

Namely ny varatra tao Ambohimahasoa ny harivan'ny alatsinainy teo. Fianakaviana iray, niisa teo amin'ny 11 teo no nilatsaham-potaka. Vokany, maty tsy tra-drano ny raim-pianakaviana sy ny vadiny. Naratra mafy kosa ny zanany sy ireo olona tao amin'io trano io.

Araka ny fampitam-baovao azo, nikija dia nikija ny orana tany an-toerana ny andron'ny alatsinainy teo ary mbola nitohy hatramin'ny omaly. Tamin'io tolakandron'ny voalohan'ny herinandro io dia narahin'ny firedrefotry ny varatra izany oram-be izany. Nilatsaka ary namoizana ain'olona roa be izao izany tao amin'ny fokontany Antoetra, kaominina Ampitana, distrikan'Ambohimahasoa. Tokantrano iray nisy olona 11 mianaka ity niharam-boina ity. Efa samy tao an-trano avokoa ireto olona ireto no nirefotra indray mandeha ny varatra ary niantefa tany amin'izy ireo. Ireo mpivady sy ny zanany iray amam-bolana no tena voa mafy. Tsy afa-niala-nenina akory moa ireto ray aman-dreniny fa avy hatrany dia may kilan'ity afo nilatsaka avy any an-danitra. Ilay zanany kosa, na dia naratra mafy azy dia mbola azon'ireo mpiara-monina novonjena tany amin'ny hôpitaly ihany ary tsy misy ahiana intsony ny toe-pahasalamany, araka ny vaovao voaray hatrany. Toraka izany ihany koa ireo olona hafa tao amin'ity fianakaviana ity miisa valo. Ireto farany izay saika nahazo fitsaboana avokoa ary efa nisy sasany nalefa nody aza.

Fa tao Miandrivazo ihany koa, vokatr'izay rotsak'orana narahim-baratra izany, ny harivan'ny alatsinainy teo dia trano iray no fantatra fa nilatsahan'izany ary may tanteraka. Soa ihany fa tsy nisy olona tao amin'izany trano izany, araka ny angom-baovao azo. Nifandrimbona, samy namono ny afo avokoa moa ny mpiray tanàna.

Nasiaka ny varatra ary efa maromaro ihany izay niharam-boina vokatr'izany tamin'ity taom-pahavaratra ity. Mila mitandrina foana araka izany ny tsirairay raha vao manomboka miraondraona ny orana. Ialana ny fivorivoriana, ny fandehanana eny an-tsaha, fialofana ambany hazo sy ireo zavatra avo mety hisintona varatra.

AllAfrica publie environ 500 articles par jour provenant de plus de 100 organes de presse et plus de 500 autres institutions et particuliers, représentant une diversité de positions sur tous les sujets. Nous publions aussi bien les informations et opinions de l'opposition que celles du gouvernement et leurs porte-paroles. Les pourvoyeurs d'informations, identifiés sur chaque article, gardent l'entière responsabilité éditoriale de leur production. En effet AllAfrica n'a pas le droit de modifier ou de corriger leurs contenus.

Les articles et documents identifiant AllAfrica comme source sont produits ou commandés par AllAfrica. Pour tous vos commentaires ou questions, contactez-nous ici.