Madagascar: Andraharo - Tratra nampirafy, tapaka hatramin'ny làlana

Nitangorona ny olona omaly tetsy Andraharo ary nihevitra fa nisy lozam-pifamoivoizana nitranga. Tsy izany velively anefa ny zava-misy. Mpivady nifankahatratra nampirafy. Raikitra avy hatrany ny fifamaliana ary tapaka hatramin'ny làlana, satria tsy navelan'ilay ramatoa tompom-bady nihetsika intsony ny fiara tsy mataho-dalana nentin-drangahy. Niezaka nanazava ilay lehilahy fa mpiara-miasa taminy izay nalainy tao anaty hotely io vehivavy niaraka fiara taminy io. Tsy naharesy lahatra am-badiny izany fa vao mainka niakatra ny feo raha vao naheno hoe hotely. Ilay vehivavy voakasika kosa tsy nety nivoaka tao anaty fiara satria fantany ny hanjo azy raha vao midina tao. Ny tompom-bady efa romotra tanteraka ary nangataka ny hiady iray sy iray. Tao anatin'izay fifanjevoana izay no niverina tampoka ny sain-drangahy ary nanontany ny momba ilay lehilahy iray izay niaraka tamim-badiny tamin'io fotoana io. Tsy nahita navaly koa ramatoa teo ary dia nazava ny resaka. Ilay lehilahy efa nanjavona tao anatin'ny fifamaliana rehetra ary tsy hita intsony na ny diany aza. Nanomboka nihalefy teo madama ary ny niafarany dia nifitsaka tsimoramora. Dia nahita izany sarimihetsika ampahibemaso izany avokoa ny olona nandalo teny Andraharo. Eny fa na ny mpandeha fiara aza dia nivoaka ary nijery mivantana, ny làlana rahateo efa tapaka. Tsy vitan'izany fa mbola nahita koa ny isan-tokantrano maro rehefa nisy nandefa mivantana tamin'ny tambajotra sosialy ny zava-nitranga. Iray sy iray ny baolina, hoy ny sasany ka mety hifandamina ihany izy roa. Asa anefa...

AllAfrica publie environ 500 articles par jour provenant de plus de 100 organes de presse et plus de 500 autres institutions et particuliers, représentant une diversité de positions sur tous les sujets. Nous publions aussi bien les informations et opinions de l'opposition que celles du gouvernement et leurs porte-paroles. Les pourvoyeurs d'informations, identifiés sur chaque article, gardent l'entière responsabilité éditoriale de leur production. En effet AllAfrica n'a pas le droit de modifier ou de corriger leurs contenus.

Les articles et documents identifiant AllAfrica comme source sont produits ou commandés par AllAfrica. Pour tous vos commentaires ou questions, contactez-nous ici.