Madagascar: Mahabibo RN4 - Dahalo mpanakan-dalana maty voatifitry ny zandary

Efa ela no nikarohan'ireo zandary avy ao amin'ny tobim-paritra Marovoay ity jiolahy rain-dahiny, malaza ratsy amin'ny resaka halatra omby sy fanafihana mitam-piadiana, vono olona ary isan'ireo mpanakan-dalana amin'iny lalam-pirenena fahefatra iny. Ny alin'ny alatsinainy teo dia fantatr'ireo zandary fa miafina ao amin'ny namany iray ao Mahabibo RN4, kaominina Ankazomborona, distrikan'i Marovoay, ny lehilahy. Nidina avy hatrany tany an-toerana ireto mpitandro filaminana tokony ho tamin'ny folo ora alina tany ho any. Raha vao nahatazana fotsiny ireto mpisambotra azy anefa ity olon-dratsy 42 taona ity dia nitsoaka, nanararaotra ny haizina sy ny fahafantarany ny toerana. Raikitra teo ny fanenjehana azy. Niezaka nampitandrina an'ity farany ihany ireo zandary saingy mafy loha tsy nijanona ingahy, sady mbola nihantsy ireo mpanenjika. Voatery nitifitra araka izany ireo zandary, nentina nampijanona azy. Voan'ny bala izy ary tafajanona, saingy noho ny ratra nahazo azy dia tsy tana ny ainy. Taorian'ny fitsirihana ny razana nataon'ireo mpitsabo tany an-toerana moa dia efa natolotra ny fianakaviany ny vatana mangatsiakany ho amin'ny fandevenana. Marihina fa mbola misy ekipany miriaria any, ary eo am-pikarohana izany ireto mpitandro filaminana ireto. Azo lazaina araka izany, taorian'ny nahalavo ity dahalo ity fa mety mba hilamindamina amin'ny resaka tsy fandriam-pahalemana ireo mponina any amin'iny distrikan'i Marovoy iny.

AllAfrica publie environ 500 articles par jour provenant de plus de 100 organes de presse et plus de 500 autres institutions et particuliers, représentant une diversité de positions sur tous les sujets. Nous publions aussi bien les informations et opinions de l'opposition que celles du gouvernement et leurs porte-paroles. Les pourvoyeurs d'informations, identifiés sur chaque article, gardent l'entière responsabilité éditoriale de leur production. En effet AllAfrica n'a pas le droit de modifier ou de corriger leurs contenus.

Les articles et documents identifiant AllAfrica comme source sont produits ou commandés par AllAfrica. Pour tous vos commentaires ou questions, contactez-nous ici.