Madagascar: Rongony - Notaterina tamin'ny taxi-brousse

Rongony milanja 21 kilao sy toaka gasy miisa 6 "bidons" ary ravim-paraky milanja 60 kilao. Ireo no indray sarona tao anatin'ny taxi-brousse iray mitondr any marika Sprinter. Mampitohy ny RN6 izay mipaka hatrany Port-Bérgé ity fiara fitateram-bahoaka ity. Raha ny marina dia entina hanafenana ny asaratsy fotsiny ilay izy taxi-brousse fa kosa ny ao ambadik'izany dia fitaterana zava-mahadomelina. "Lehilahy miisa telo, 23 sy 31 ary 58 taona no voasambotry ny Polisy ny faran'ny volana janoary teo, tao Port-Bergé, rehefa sarona nitondra rongony sy toaka gasy" raha araka ny fanamarihan'ny polisy avy any an-toerana. Notsipihan'izy ireo fa teo amin'ny sakana nataon'ny polisy teo amin'ny tanàna antsoina hoe Andrimbavontsona no nahatratrarana ireo olon-dratsy izay nosamborina ka notazomina any amin'ny biraon'ny polisy. "Rangahy 31 taona no tena tao ambadik'ilay izay nitondra ireo zava-mahadomelina ireo miaraka amin'ny soafera sy ny soafera mpanampy nitondra ilay taxi-brousse", raha arak any fanampim-baovao mahakasika ity raharaha ity ihany.

AllAfrica publie environ 500 articles par jour provenant de plus de 100 organes de presse et plus de 500 autres institutions et particuliers, représentant une diversité de positions sur tous les sujets. Nous publions aussi bien les informations et opinions de l'opposition que celles du gouvernement et leurs porte-paroles. Les pourvoyeurs d'informations, identifiés sur chaque article, gardent l'entière responsabilité éditoriale de leur production. En effet AllAfrica n'a pas le droit de modifier ou de corriger leurs contenus.

Les articles et documents identifiant AllAfrica comme source sont produits ou commandés par AllAfrica. Pour tous vos commentaires ou questions, contactez-nous ici.