Madagascar: Tsaramasay - Mpanao « gargotte » norobain'ny mpanao famadihana

« Andian-dehilahy maromaro izy ireo ... Avy etsy amin'ireo olona manao famadihana ireo ... Nisakafo teto aminay ... Tsy nandoa vola ... Nikasi-tanana olona tato aminay, ary nandroba ny vola rehetra tao amin'ny fitoeram-bola », hoy ny fitantaran'ity renim-pianakaviana iray, vonton-dranomaso. Mitazona « gargotte » etsy Tsaramasay ity farany, ary nolazainy fa norobain'olona ity toerana ity. Anisan'ny zava-niseho ny andron'ny sabotsy maraina lasa teo izany tranga izany, ankoatra ny hetsik'ireo kandida 11 sy ireo olona marobe mpanaraka azy, metatra vitsivitsy monja tetsy amin'ny rond point Ankazomanga, ny andiana mpitandro filaminana, manao sarontava sy miseho endrika, milanja basy sy grenady mandatsa-dranomaso. Mafotaka ihany koa tsy lavitra teo ny dihin'ireo zana-drazana sy ny bapampa mitatatata, ao anatin'ny lanonana famadihan-drazana. Lanonana izay toa tsy nahatsiaro akory ho voahelingelin'ny « korontana », metatra vitsy miala teo amin'ny misy azy ireo.

Tokony ho tamin'ny folo ora maraina latsaka kely tany, raha mbola teo am-piomankomanana ny andaniny roa, na ireo Emmo na ireo mpanao fihetsiketsehana, no nisy tovolahy nampandre sy nila vonjy. Nanatona avy hatrany ny lehibe nibaiko ny sasany tamin'ireo andiana mpitandro filaminana. « Nisy olona namaky ny fivarotan'izy ireo, vao fotoana fohy lasa teo izay ». Fahasahiana mihoa-pampana, eo ambany mason'ireo zandary, pôlisy ary miaramila zavon-tany, nanemitra iny toerana iny ! Nanao bemidina avy hatrany teo amin'io toerana ny ampahany tamin'ireo mpitandro filaminana. Ary niezaka nanodidina avy hatrany ny toerana. Raha ny voalazan'ireo lasibatra dia tovolahy maromaro, isan'ireo nanatrika ilay lanonana famadihan-drazana tery am-pita ny sasantsany tamin'ireo nandroba. Nisy ampahany tamin'ireo mpitandro filaminana moa no tonga dia nandray an-tanana ny raharaha ary nikaroka ireto olona voalaza fa nandroba ireto. Ny hafa kosa, namonjy avy hatrany ny namany tetsy amin'ny « rond point » Ankazomanga. Efa velona mantsy ny horakoraka sy ny tsoka « siflet ». Fotoana vitsy taorian'izay, tamin'ny roa ambin'ny folo ora sy efatra ambin'ny folo minitra no nirefotra voalohany ny baomba nandatsa-dranomaso ...

AllAfrica publie environ 600 articles par jour provenant de plus de 100 organes de presse et plus de 500 autres institutions et particuliers, représentant une diversité de positions sur tous les sujets. Nous publions aussi bien les informations et opinions de l'opposition que celles du gouvernement et leurs porte-paroles. Les pourvoyeurs d'informations, identifiés sur chaque article, gardent l'entière responsabilité éditoriale de leur production. En effet AllAfrica n'a pas le droit de modifier ou de corriger leurs contenus.

Les articles et documents identifiant AllAfrica comme source sont produits ou commandés par AllAfrica. Pour tous vos commentaires ou questions, contactez-nous ici.