Madagascar: Antalaha - Fanapahana hazo manan-kasina, namono zaza iray

Teo am-pandevenana no niverina nanangatra ity zaza maty ity ary nilaza tamin'ny alalan'ny reniny fa « mbola haka olona hafa ankoatrany vokatry ny fanapahana io hazo io ». Nisy avy hatrany fandraisana andraikitr'ireo olobe tao an-tanana. Toe-javatra hafahafa tanteraka no niseho tao amin'ny tanana iray, any amin'iny kaominina Antanananambo, ao amin'ny distrik'Antalaha iny, tao anatin'ny roa herinandro izay. Niteraka horohoro tamin'ireo mponina ary niafara tamin'ny fanaovana joro sy fifonana teo am-pototry ny foto-kazo iray efa tapaka. Hazo voalaza fa manan-kasina. Ny tapaky ny volana oktôbra lasa teo tokoa mantsy dia nisy nanapaka ny hazo tao amin'ny faritra iray tany an-toerana. Anisan'ny voatapaka sy lasa « planche » ny hazo iray, fanaovan'ireo mponina fangataham-pitahiana, araka ny fampitam-baovao azo. Ny nahagaga sy nahavariana, namoy ny ainy tampoka, tamin'ny fomba nahavariana ihany ny zanak'ilay olona nanapaka io hazo fanasinana io. Ary mbola tranga mahavalalinana ihany koa no nitranga nandritry ny fandevenana satria « nanangatra ilay ankizy kely namoy ny ainy, ary niteny tamin'ny alalan'ny reniny », raha ny fampitam-baovaon'ny zandary hatrany. Tamin'izany no nahafantarana fa noho ilay hazo tapaka no nahafaty ilay zaza ary milaza ny mbola hamono olon-kafa ihany koa izy io. Tsy noraisina ho vazivazy moa izany ary nandray an-tanana ny raharaha ny raiamandrenin'ny tanana tao an-toerana. Nisy ny famonoana omby sy ny fanaovana joro teo amin'io hazo tapaka io, ny faran'ny herinandro lasa teo. Izany dia mba ho fifonana noho ny fanapahana io hazo tapaka io. Ary na dia eo ihany aza ny tranga hafahafa sy mistery tamin'ity raharaha ity dia nisy ihany ny fanadihadiana nataon'ireo zandary tany an-toerana.

AllAfrica publie environ 600 articles par jour provenant de plus de 100 organes de presse et plus de 500 autres institutions et particuliers, représentant une diversité de positions sur tous les sujets. Nous publions aussi bien les informations et opinions de l'opposition que celles du gouvernement et leurs porte-paroles. Les pourvoyeurs d'informations, identifiés sur chaque article, gardent l'entière responsabilité éditoriale de leur production. En effet AllAfrica n'a pas le droit de modifier ou de corriger leurs contenus.

Les articles et documents identifiant AllAfrica comme source sont produits ou commandés par AllAfrica. Pour tous vos commentaires ou questions, contactez-nous ici.