Madagascar: Anjozorobe - Maty voatifitra ny jiolahy, tanan-kavanan'Iarisy mpaka an-keriny

Sivy volana aty aoriana, taorian'ny nahafatesan'Iarisy, ilay jiolahy raindahiny, atidoha nikotrika ireo fakàna an-keriny isan-karazany, nampitondra faisana ireo mponina tany amin'iny distrikan'Ankazobe, Anjozorobe, ary Ambohidratrimo iny, dia mbola mitohy hatrany ny fitsimponana tsikelikely ireo olona akaiky azy sy tanan-kavanany, ataon'ireo mpitandro filaminana.

Ny andron'ny alakamisy lasa teo aza dia fantatra fa dahalo lohandohan'ny mpisorona amin'izany resaka fakàna an-keriny izany indray no lavon'ny balan'ny zandary tany amin'iny distrikan'Anjozorobe iny, tao amin'ny tanàna hoe Toamasinakely, ao amin'ny fokontanin'i Beanana, kaominina Androvakely. Raha ny fampitam-baovao azon'ireo zandary misahana izany faritra izany dia nahazo angom-baovao azo ireo, mahakasika ity olon-dratsy ity, izay marihana fa efa ela nifampitadiavana ary efa namoahan'ny fitsaràna taratasy fampikarohana azy. Voalaza fa niafina tao amin'io tanàna io ity olon-dratsy ity sy namany ary niroso nidina avy hatrany tany an-toerana izy ireo, hanamarina ny vaovao. Teny an-dalana hamonjy io toerana io anefa no efa nandrasan'ireo andian-dahalo kendritohana ny fandalovan'izy ireo teo amin'ny kizo iray. Velona avy hatrany ny fifandonana teo amin'ny roa tonta. Nitatatata ny basy. Tsy nahatosika ireto zandary efa tsara hofana anefa ireo olon-dratsy, eny fa na dia efa nanomana paikady ny hiandry azy ireo aza. Vokatr'io fifandonana io moa no nahafaty ny iray tamin'ireo dahalo, izay fantatra taty aorian'ny fifandonana fa ilay olon-dratsy efa nokarohina fatratra ary isan'ireo olona akaikin'Itpkl Iarisy. Nahitàna basim-borona calibre 12 sy bala maromaro ary antsy lava sy ody gasy, ihany teo tavela teo amin'io toerana nisian'ny fifandonana io.

Marihana fa nitsoaka ireo namany raha vao nahita ny fahalavoan'ny iray tamin'izy ireo. Niezaka nanohy ny hazalambo kosa ireo mpitandro filaminana taorian'io. Tsy mitsahatra ny fikarohana, ho an'ireo izay mbola miriaria any, hoy ny teo anivon'ny zandary.

AllAfrica publie environ 600 articles par jour provenant de plus de 100 organes de presse et plus de 500 autres institutions et particuliers, représentant une diversité de positions sur tous les sujets. Nous publions aussi bien les informations et opinions de l'opposition que celles du gouvernement et leurs porte-paroles. Les pourvoyeurs d'informations, identifiés sur chaque article, gardent l'entière responsabilité éditoriale de leur production. En effet AllAfrica n'a pas le droit de modifier ou de corriger leurs contenus.

Les articles et documents identifiant AllAfrica comme source sont produits ou commandés par AllAfrica. Pour tous vos commentaires ou questions, contactez-nous ici.