Madagascar: Raharaha Tahina Rasta - Olona roa migadra mandra-pahafaty

Nivoaka ny didy mahakasika ny famonoana efa nomanina an'i Tahina Rajaonavah na Tahina Rasta. Io farany izay novonoina tamin'ny fomba feno habiabiana ary ny taolany sisa no hita, tamin'ny volana martsa lasa teo. Ny akanjo nanaovany sisa izay hita teo amin'ny manodidina no afaka nahafantarana azy. Rehefa nandeha ny fanadihadiana dia olona telo no nidoboka am-ponja. Tsy nijanona hatreo anefa ny raharaha fa nitohy ihany ny famotorana nataon'ny zandary. Teo no nanomboka hita taratra fa resa-pianakaviana no niseho ary nitarika tamin'ny famonoana ho faty. Nandeha ny fitsaràna, folo volana taty aoriana, ary olona roa no nigadra mandra-pahafaty. Ireo dia nahitàna dian-drangotra tamin'ny fotoana nisamborana azy. Izany hoe niady mafy i Tahina Rasta mba hiarovana ny ainy saingy sendran'ny be noho ny vitsy. Havam-badin'i Tahina Rasta avokoa ireo. Ankoatr'izay dia nisy roa hafa izay nigadra 15 taona sazy mihatra noho ny firaisana tsikombakomba tamin'ny famonoana. Fantatra koa fa efa migadra any Lafrantsa ny vadin'ny maty rehefa tafiditra tamin'ity raharaha heloka bevava ity. Resa-bola izay tsy voaverina no tao ambadiky ny famonoana. Raha tokony naloa ny volan'olona dia naleo ilay olona no novonoina. Ny tena nahataitra ny maro dia ny vadiny ihany no atidoha nikotrika ny famonoana azy. Raha tsiahivina tokoa dia lasa niondrana nody tany ivelany izy kanefa ny vadiny hita faty teto Madagasikara. Io koa dia isan'ny niteraka fanahiana mafy ary azo lazaina fa noho ny fahaizan'ny mpanao fanadihadiana dia nivoaka avokoa ny marina tao ambadik'ilay raharaha. I Tahina Rasta dia olona nila ravinahitra tany ivelany saingy mba nandalo kely teto an-tanindrazana mba hiala sasatra miaraka tamin'ny fianakaviany no io nisy namono io.

AllAfrica publie environ 500 articles par jour provenant de plus de 100 organes de presse et plus de 500 autres institutions et particuliers, représentant une diversité de positions sur tous les sujets. Nous publions aussi bien les informations et opinions de l'opposition que celles du gouvernement et leurs porte-paroles. Les pourvoyeurs d'informations, identifiés sur chaque article, gardent l'entière responsabilité éditoriale de leur production. En effet AllAfrica n'a pas le droit de modifier ou de corriger leurs contenus.

Les articles et documents identifiant AllAfrica comme source sont produits ou commandés par AllAfrica. Pour tous vos commentaires ou questions, contactez-nous ici.