Madagascar: Ambohidahy - Fanendahana amin'ny andro antoandro

Manodidina ny amin'ny 11 ora antoandro, omaly, mbola feno olona mandehandeha etsy sy eroa. Tamin'io fotoana io indrindra no nanao sinto-mahery miampy daroka ny jiolahy. Miisa telo izy ireo ka ny sasany nibeda ary ny sasany kosa naka izay azo nalaina teny amin'ilay lehilahy. Izany rehetra izany dia tao ambanin'ny tonelin'Ambohidahy no niseho ary teo imason'ireo olona marobe tao anaty fiara izay tratran'ny fitohanan'ny fifamoivoizana. Tsy nisy nivoaka na ny iray aza mba hanampy satria samy natahotra ny ainy. Io dia toe-javatra lasa mahazatra ny olona kanefa izany dia mainka manome vahana ny mpanendaka. Dia niady irery teo ilay lehilahy izay sady very finday no very vola izay raha ny fanazavany dia mitentina maherin'ny enina hetsy ariary no lasa. Tsy nisy azo natao fa dia niala teo an-toerana ary nivembena fotsiny sisa. Manomboka mirongatra indray ny asan-jiolahy tato ho ato. Ny antony, toa ny zava-misy isan-taona ihany, dia noho ny vanim-potoana izay manakaiky ny fety. Ny mety mahasamihafa azy dia ny firongatry ny mpanao sinto-mahery amin'ny andro antoandro. Eo indrindra no mila fahamailoana ny olona, na izany ireo mpandeha an-tongotra na koa ireo mpandeha fiara. Ho an'ireto farany dia efa sahy mamoha varavararan'ny fiara ary miditra avy hatrany ao anatiny izy ireo. Dikany, mila manidy fiara sy ny varavaran-kely koa izany ary miaritra ny hafanana rehefa tsy mandeha ny fampangatsiahana.

AllAfrica publie environ 600 articles par jour provenant de plus de 100 organes de presse et plus de 500 autres institutions et particuliers, représentant une diversité de positions sur tous les sujets. Nous publions aussi bien les informations et opinions de l'opposition que celles du gouvernement et leurs porte-paroles. Les pourvoyeurs d'informations, identifiés sur chaque article, gardent l'entière responsabilité éditoriale de leur production. En effet AllAfrica n'a pas le droit de modifier ou de corriger leurs contenus.

Les articles et documents identifiant AllAfrica comme source sont produits ou commandés par AllAfrica. Pour tous vos commentaires ou questions, contactez-nous ici.